airtel

Politique

26-mai-2026

Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel

Mandroso soso-kevitra

Sample post image

mba hahombiazan'ny Fanavaozana

26-mai-2026

fanavaozana . Mifantoka amin'io ny fanehoan-kevitry ny maro ankehitriny. Tsy mpanao politika, tsy olon-tsotra. Tsy vitsy araka koa no soso-kevitra hitondràna fahombiazana ho amin'ny Fanavaozana. Ho an'Atoa Razafindrandriatsimaniry Marie Dieudonné Michel filohan'ny antoko politika Fitambolagnela IAD sady efa ambasadaoron'i Madagasikara tany Libia, mpampianatra mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo dia mila miainga aty ifotony, eny amin'ny Fokontany ny rehetra tsy misy an-kanavaka : Fokonolona sy ny Zanaka am-pielezana hiara-mifanakalo hevitra, mandritra ny herinandro hamerenana ny hisian'ny risimpo sy ny hambompo hiara-mientana ho amin'ny fanavaozana. Ny roa andro voalohany dia natokana ho filazana ny zava-misy sy ny ao am-po tsy niloaka hatrizay. "Fifanasana vangy" raha tsorina, hoy ity filohan'ny antoko politika Fitambolagnela IAD ity. Ny roa andro manaraka indray dia natao handinihana ny tokony hatao hitondrana soa iombonana ho amin'ny fanavaozana. Anokanana andro iray hanaovana famintinana, handrafetana ny foto-kevi-dehibe ho entin'ny solontena izay nofidiana hitondra teny any amin'ny fikaonandoham-pirenena.
Jean D.
Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
 

Dans la même rubrique

03-sept-2026

Nitohy omaly tolakandro teny

Card image cap
03-sept-2026

Hajaina ny fe-potoaka,

Card image cap
03-sept-2026

Ambasadaoro Frantsay Jean-Marc Grosgurin

Card image cap
02-sept-2026

Mila havahana tsara mba tsy ho lasa fialokalofana…

Card image cap
02-sept-2026

Madagasikara dia fifidianana tsy tena izy»

Card image cap
02-sept-2026

Hangonina manomboka anio

Card image cap