airtel

Politique

12-mars-2025

Resabe momba ny Filoha voapoizina ara-tsakafo

Tena viravirain’ny vahoaka ara-tserasera ny Fanjakana…

Sample post image

Tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo nandritry ny fankalazana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina

12-mars-2025

ny faran’ny herinandro nivalona teo, tao anatin’ny fanamarihana ny andron’ny 8 martsa tany Mahajanga, raha ny nambarany, nandritra ny fanokafana ny filan-kevitry ny mari-boninahi-pirenena tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Olona 25 ankoatra azy ihany koa no voa ary nampidirina hopitaly. Efa nahazo fitsaboana moa ny tenany raha ny nambarany hatrany. Ampahany kely tamin’ny kabariny moa no nanehoany an’io izay nialany tsiny noho ny fahatarana kely tamin'ilay lanonana fampahafatarana ireo mpikambana teo anivon’ny filan-kevitry ny mari-boninahi-pirenena ny alatsinainy teo. Nambarany fa nisy hifandraisana tamin’ilay « Intoxication alimentaire » izay nahazo azy sy ireo olona maromaro tany Mahajanga nandritra ny fanamarihana ny andron’ny 8 Martsa izany. Nahafinaritra be ny fety, saingy nisy an’io fahapoizinana ara-tsakafo io, saingy isaorana an’Andriamanitra fa sitrana soa aman-tsara, hoy i Andry Rajoelina. Toe-javatra niteraka fanehoan-kevitra maro samihafa moa io, ka tao ny niarahaba an’ingahy Filoha sitrana soa aman-tsara, tao ny nihomehy, tao ny nanao vazivazy zary tenany toa faniriana ratsy ho an’ny mpitondra,… Tsy resaka finiavana hiantso fankahalana Fanjakana na Mpitondra saingy tsy mampaninona ny mitatitra ny zava-misy notarafina tamin’ireo fanehoan-kevitra samihafa hoe : isan’ny betsaka sy nisongadina tamin’io ny fihomehezana sy ny eson-teny izay entin’ny olona anehoany ny tsy dia fankasitrahana loatra ilay Fanjakana mijoro. Misy mihitsy aza ny olona sahy milaza fa saika avotra i Madagasikara. Tsapa sy tsikaritra amin’ny toe-javatra tahaka itony ihany koa ny refin’ny fankasitrahana sy fitsikerana na tsy fahafaliana amin’ny fitondrana ankehitriny. Any sisa no toa fihetsika hanehoan’ny olona amin’ny Fitondram-panjakana fa betsaka ny alahelo, betsaka ny fahatezerana,… saingy sarotra ny haneho azy eny an-dalambe noho ny fangejana ara-politika, ka dia eny amin’ny tambajotran-tserasera no hanehoan’ny Malagasy sasany aza. Mety hilaza ny Mpitondra fa ampahana Malagasy ihany no mikirakira ny Facebook, toy ilay filazana tany aloha fa « 6% imbéciles ». Na ny Filoha ankehitriny aza nisy fotoana nanamaivana an’io tambajotra io sy ny kiana mandeha, saingy Fanjakana dia tena miondana tanteraka an’io ho fantson-tserasera, ary misy fotoana aza tena manao fitantanana baikoan’ny facebook. Tsy azo hamaivanina anefa ireny satria raha ny antontan’isa farany nofaritan’ny Digital report 2025, dia mahatratra 3,9 tapitrisa ny Malagasy mikirakira sy mampiasa facebook. Ny nahalany ny Filoha tamin’ny fifidianana farany teo anefa mpifidy 2,8 tapitrisa. Misy ny mety mampiasa io tambajotra ara-tsosialy io an-jambany, saingy ny olona mampiasa azy itony, dia azo lazaina sy sokajiana ho manana hivim-pahalalana sy fandinihana ambony kokoa. Asa na mba mandray lesona sy mahatonga saina ny Fitondrana ankehitriny ireny fihetsiky ny olom-pirenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap