airtel

Politique

14-janv-2021

Politique

Rivo Rakotovao “Aoka hifanaja fa tsy bazary ny Antenimierandoholona »

Sample post image

Manahirana ny fitondran-tenan’ny olona hiditra sy ny mpiasa ato satria miasa ato izy izany.

14-janv-2021

 

 

 

Nisy ny efa nihaodihaody teny ny herinandro teo. Omaly, tonga mandrava birao, manilika ny dosie ao anatiny, mandoko trano, mametraka môkety,… Marina fa ratsiratsy ny trano ao na koa tsy mety amin’ny ilany azy fa mila hivim-panajana satria mbola tsy ny fifamindram-pahefana teto na indray mandeha aza, hoy hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao nampiaka-peo omaly. Nomena toromarika ny Sekretera jeneralin’ny antenimierandoholona, Talen’ny “logistique”, intendant du Palais,… fa aorian’ny fifamindram-pahefana vao manao izany. Misy anefa ny miantso sy miteny hoe omeo anay ny karaman’ireo loholona ireo mba hiadivanay ny anay, dia taitaitra eo ny Tale ara-bola. Hidiran’ny olona ny trano amin’ny 8maraina dia mijery fotsiny ilay “intendant” ka gaga aho hoe inona izany any ao ambany ao izany, hay mandoko trano sy mametraka mokety, gaga aho kanefa miaramila feno trano, ny lehiben’ny arofenitra no nanaitra hoe: niditra ao ry zalahy, hoy izy. Azonareo an-tsaina ohatra hoe nesorina ny praiminisitra dia ekena ve ohatra hoe eny Mahazoarivo na dia efa voatendry aza ny Praiminisitra vaovao tsy mbola nisy famindram-pahefana no tonga ianareo handoko trano ho mavovamavo na maitso? Fa izy ity ve bazary? Tsy misy olana ny hoe efa handeha ny loholona ankehitriny fa aleo hifanaja? Angaha efa nisy fanendrena ihany koa hoe itsy ny Filon’ny antenimierandoholona na itsy no efa Filoha lefitry ny faritanin’I Fianarantsoa? hoy izy. Ny 19 janoary izao moa no hivory voalohany ny loholona vaovao, ary tokony ho voatendry amin’ity herinandro ity ny 6 izay hatolotry ny Filohan’ny Repoblika. Ny 25 janoary kosa ny fifamindram-pahefana.

Toky R

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap
08-mai-2024

Nisokatra ofisialy omaly 07 mey 2024 ny fivoriana ara-potoanan’ireo andrim-panjakana

Card image cap
08-mai-2024

Tena tandidonin-doza ny boriborintany faha 4 satria Jiolahimboto no mibaiko ny sefo distrika sy ny prefe,

Card image cap
07-mai-2024

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

Card image cap
07-mai-2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

Card image cap
07-mai-2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

Card image cap