no nanome baiko tsy hisian’ny ra latsaka. “Ny 2018 dia misy zavatra tsy azo tenenina angamba, ny baiko azoko tamin’izany dia tsy ampidirina ao amin’ny 13 mey ny depiote 73 mba tsy hisian’ny ra latsaka, izaho efa nahita fa tsy mitombina izany amin’ny resaka fitantanana ny filaminam-bahoaka hoe: miditra an-tsehatra ianao kanefa tsy misy maratra”, hoy ny Prefen’Antananarivo. Nilaza ity Prefe ity fa ny tanjony tamin’ireny dia ny hoe: mivoaka am-pahamendrehana ny filoha tamin’izany, misy ny fifidianana demokratika, misy fifandimbiasam-pahefana demokratika,… fa ny fepetra noraisiny no mety ho tsy nety tamin’ny fitondrana ka nilazana azy ho mpamadika. Tao amin’ny fahitalavitra Real TV kosa no nilazan’Atoa Rivo Rakotovao omaly, fa tsy nihetsika sy nandray fepetra ny Prefe tamin’izany na nantsoina sy notenenina aza, ka tsy tokony handainga sy hanamarin-tena. “Gaga sy talanjona aho Atoa Prefe amin’ny zavatra nolazaina satria 48 ora ny fahazoan-dàlana azon’ny depiote tamin’ireny. Nantsoina ianao, notenenina ianao, fa tsy nisy fepetra noraisinao tamin’izany, tsy nihetsika ianao ka androany ve ianao dia hanamarin-tena sy handainga amin’ny vahoaka hoe: izaho tamin’ireny dia hanao izay hahatapitra tsara ny fe-potoam-piasan’ny fitondrana tamin’izany”, hoy I Rivo Rakotovao. Aza mandainga, hoy izy, fa izahay vavolombelona tamin’izany, anisan’ny tompon’andraikitra ambony tamin’izany. Nilaza I Rivo Rakotovao fa niandry “réquisition” avy amin’ny Prefe vao afaka mihetsika ny mpitandro filaminana. Notsiahiviny ny fanafihana ny Minisiteran’ny fambolena, ny Minisiteran’ny fanabeazana, ary ny lapan’ny Antenimierandoholona, ny biraony izay handeha hovakiana. Tsy nisy nihetsika ireo lehiben’ny zandarimaria, fa hoe: misy “réquisition”. Izao milaza fa niaro ny fitondram-panjakana mba tsy hisian’ny ra mandriaka, navela ny olona hanao izay danin’ny kibony hanafika Filohan’Andrim-panjakana sy ny biraony, hoy I Rivo Rakotovao. Nohampangainy ho nandray baiko tamin’ny olona mbola tsy nahazo fahefana tamin’izany, ary eo amin’ny fitondrana ankehitriny ny Jeneraly Ravelonarivo Christian.
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany