Nandritra io no nitondrany fanamarihana eo anatrehan’ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny. “Hitanareo andavanandro fa ny rehetra voafetra, fa ry zareo tsy voafetra! Tsy nisy fitondram-panjakana ambony mba tonga teo, na mba mihaino fotsiny na manao “engagement” na fanekena mihitsy aza ao anatin’izany hoe: mba marina izany satria hanana ny kandidany ireo olona ireo, ka any no mampieritreritra azy hoe: toetra ratsy amin’ny zavatra soniavina satria ilay olona tena manapa-kevitra amin’izao tsy teo. Izaho izao mba nanantena fa hanatrika an’iny ohatra ny Minisitry ny atitany”, hoy I Rivo Rakotovao. Momba ny raharaha fitorian’ny Filoha, ho azy ireo dia efa efa nampoizina ny valin-tenin’ny HCC, ary raha ny 2018 raha izahay manokana dia efa tapitra tokoa ny fe-potoana ahafahana manao fanoherana na “délai de recours”, hoy ny fanazavany. “Ny manahirana, dia ny fomba fanehoany hevitra toa efa mampandre sy mampitahotra sahady, toa efa milaza fa efa mihidy ny adihevitra sy ny fanarahan-dalàna amin’ny zavatra samihafa izay manahirana amin’izao fotoana izao, fa dia ho hita eo satria ny toerana mandalo, ny olombelona mitondra ny anarany, dia hifankahita eo marain-tsy hariva satria tokony hampiharina amin’ny rehetra ny lalàna”, hoy Rivo Rakotovao. Eo anatrehan’ny firotsahan-kofidiana izay efa nisokatra kosa, dia naneho ny HVM fa vonona matoa manao, mioamana amin’ny pitsopitsony, saingy nanipika sy naniry ny tsy hisian’ny sakantsakana sy ankamely. Any no atahorana kely, saingy tsy dia maninona fa adihevitra politika io, fa izahay izao dia maheno ho an’ireo efa mikarakara hoe: atao any amin’ny prefektiora ny “legalisation” ka hatramin’ny oviana no nisy an’izany, manahirana ny zavatra foromporonina be, ka aleo no lalàna no arahana fa tsy eo ianareo, dia mivorivory kely ao dia taitaitra ao ka tokony ilay fitondram-panjakana no manasonia ny sata ara-pitondran-tena satria manana ny kandidany izy izay tsy haiko na vazaha na Malagasy, hoy I Rivo Rakotovao nanao sarisarin-teny.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,