airtel

Politique

15-sept-2023

RMDM

“Miantso ny vahoaka ho sahy hijoro…”

Sample post image

Miantso ny Governemanta Frantsay izahay mba handray fepetra amin'ny olony fa manankorontana ny Firenenay.

15-sept-2023

Miantso ny Kandidà rehetra mba hiray hina tsy hanaiky ny fanonganam-panjakana anatiny ataon'ny Governemanta sy fandikan-dalàna ataon'ny HCC, ary tsy fahamarinana sy tsy fangararahana ataon'ny CENI. Miantso ny Mpiasam-panjakana rehetra mba tsy hitanila amin'ny hevitra politika amin'ny fanatanterahana ny asany: Ny mpitsara, ny foloalindahy, ary ny administratera sivily. Miantso ny vahoaka Malagasy mba ho sahy hijoro hatramin'ny farany hametraka ny tany tan-dalàna sy ny fahamarinana eto amin'ny Firenena”, hoy ny Fanambaran’ny RMDM omaly manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Nampahafantarin’io Rodoben’ny mpanohitra io, fa misy ihany koa ny fiovana anatiny eo anivon’ny RMDM eo anatrehan’ny fiatrehana fifidianana. Noho ny maha kandida ny Filohan'ny RMDM Atoa Marc Ravalomanana mantsy dia nanapa-kevitra ny tenany sy ny Birao Politika fa hametraka ny fitantanana amin’ny Mpandrindra Nasionaly, ka voafidy tamin’izany I Pasitera Tsarahamé Edward. Misy kandida ho filoham-pirenena miisa roa ao amin’ny RMDM izay atolotry ny Antoko TIM sy HVM dia Andriamatoa Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Tapaky ny fivorian’ny RMDM anefa, fa malalaka ny Antoko tsirairay sy ny mpikambana manerana ny Nosy avy hisafidy amin’ireo Kandida ireo. Tsy azo atao kosa ny manohana ny manohana kandida hafa, ary izay hita fa manao izany dia manala ny tenany tsy ho mpikambana amin'ny RMDM, hoy ny fampahafantarana. Nanamafy ny RMDM fa mbola manohy ny asa fanoherana izay nataony hatramin'izay satria hita fa mikorosy fahana ny fiainan'ny firenena noho ny tsy fahaiza-nitantana sy ny fandikan-dalana maro samy hafa izay mpitondra : fandikana ny lalampanorenana, kolikoly, tsy fandriam-pahalemana, fiakaran'ny vidim-piainana, fahantrana lalina, delestazy,... hoy izy ireo. Tsy eken'ny RMDM ny olona manana zom-pirenena vahiny hitondra an’i Madagasikara, tsy ekena ny fanitsakitsahana ny lalampanorenana sy ny lalâna velona eto amin'ny Firenena toy ny ataon 'ny Governemanta sy ny HCC amin'izao, hoy ity Rodoben’ny mpanohitra ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap