airtel

Politique

26-juil-2022

Politique

RMDM “ Tsy misy mihemotra izany eo…”

Sample post image

Nampiaka-peo, ary nanameloka ny fihetsiky ny Fanjakana ny sabotsy teo ny mpanohitra ao anatin’ny RMDM omaly, ka nanao tsindro-paingotra sy nampahatsiahy ny Fitsarana avo momba lny lalàmpanorenana (HCC),

26-juil-2022

fa vakiana bantsilana ny HCC amin'ny tsy fandraisana andraikitra amin'ny fampanajana ny izany lalàmpanorenana izany. Zon 'ny mpanohitra sy ny Malagasy amin'ny ankapobeny hanao fanehoan-kevitra malalaka, misy ny satan’ny mpanohitra, ka gaga ny tsy ahitan’ny HCC fa misy izany ka asehoy ary raha tena tsy mitanila ianareo, hoy ny RMDM. Amin’izy ireo, baikon'ny mpitondra HCC fa tsy manana ny fahaleovantenany sy tsy manao ny asany dia fiarovana ny lalampanorenana matoa tsy mandray andraikitra. Manoloana ny fisamborana sy ny fikasana hisambotra, mahagaga, hoy ny RMDM, fa olona tsy tokony hosamborina ary tsy nandray fitenenana akory aza, dia ireny no niseho, natao tahaka ny manao « kidnapping », ka tsy mendrika, ary nilazan’izy ireo fa Fanjakana mpampihoroho na « Etat terroriste » no manjaka eto Madagasikara ankehitriny. Nodisoan’izy ireo ny filazan’ny kolonely iray fa nanao fandranitana ny mpanohitra ary mitady hitarika korontana. Natao fitaovana politika ihany koa ny mpitandro ny filaminana, ary andaniny noporofoin'ny vahoaka tamin'izy ireo nipetraka teo amin'ny lalàna fa tsy mitady korontana ny vahoaka sy ny mpitarika fa mitaky ny zony ary te-haneho ny hatezerany amin'ny tsy fisian'ny vahaolana amin'izao fiakaran ny vidin-javatra izao ka voamaika mampahantra tanteraka ny vahoaka Malagasy, hoy hatrany ny mpanohitra.
MBOLA TSY VITA NY TOLONA
Nahitsy ny RMDM nilaza fa maintsy misy ny hetsika izay hanasana an’ireo olona rehetra izay mahatsiaro fa potika ny firnena ka ilaina hevitra ny fanarenana azy, rehefa minia bemarenina tsy manaiky fikaonandoham-pirenena ny Fanjakana. Miantso ny mpankasitraka ny vondrona mpiara-dia sy manohana azy ireo noho izany ny RMDM mba hanohy ny tolona hoenti-manavotra ny firenena. Mbola tsy tratra ny tanjona, mbola tsy misy vahaolana ho an’ny firenena, ka raha tsy tratra izany dia tsy mihemotra isika, fa hijoro hatrany. “Tsy maintsy mijoro isika na inona na inona zavatra hataon’ireto olona ireto. Manome toky ny vahoaka fa tsy hihemotra amin’ny fanatanterahana ny fanavotana ity firenena ity. Adidin’ny rehetra ny miaro ny tanindrazana satria latsaka an-katerena loatra i Madagasikara. Eo am-pandaminana ny fanohizana ny tolona, fa izahay dia manome toky fa tsy hihemotra hatramin’ny farany izahay. Tsy misy kianjan’ny demokrasia eto Madagasikara fa efa novain’ny mpitondra ankehitriny izay nitokana azy ho kianja botanika ka raha misy kianjan’ny demokrasia dia atoroy anay fa haka alalana izahay”, hoy ny RMDM nanamafy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap