airtel

Politique

23-janv-2025

Roland Ratsiraka

« Filoha jadona Rajoelina, tsy hanaiky aho ! »

Sample post image

Toy ny tamin’ny sabotsy 18 janoary teo, natao andrimaso indray ny depiote sady kandida

23-janv-2025

ben’ny tanàna teo aloha Roland Ratsiraka omaly alarobia 22 janoary. Nohodidinina mpitandro filaminana ny toeram-ponenan’ity solombavambahoaka ity omaly, fotoana nifanandrify tamin’ny famoahana ofisialy ny voka-pifidianana, izay nampandresy ny kandidan’ny IRMAR Alain Andriafanomezantsoa tamin’ny salan’isa 46,44% ho an’i Toamasina I. Niantefa manokana tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ity depiote ity, ka nilaza fa tsy Fanjakana tsy manjary no misy, ary filoha jadona ny Filoha ankehitriny. « Miresaka demokrasia, miresaka tany tan-dalàna,… ka demokrasia ve ny olona tsy mahazo miteny, tsy mahazo maneho ny heviny ? » hoy i Roland Ratsiraka. Notsiahiviny fa ny lalàmpanorenana dia milaza mazava fa mahazo mandeha sy malalaka amin’ny fivezivezena, mahazo miteny,… Izaho solombavambahoaka tsy navela nivoaka ny trano, enjehina sy arahina polisy sy zandary ka zavatra tsy rariny, saingy ianao irery no mahita izany ho mahita izany ho « normal », hoy i Roland Ratsiraka miantefa amin’i Andry Rajoelina. Nambarany fa ny zavatra atahoran’i Andry Rajoelina dia ny marina. Nahitsy izy naneho, fa nangala-bato ary tratra ambodiomby ny IRMAR. Izany no hoavin’i Madagasikara asehon’ny Fitondrana, ka i Andry Rajoelina miteny demokrasia, miteny fa milamina sy mandroso i Madagasikara, kanefa tsy misy raha manjary, raha ny nambarany. « Tsy hainao ny dikan’ny soatoavina Repoblikanina, tsy hainao ny dikan’ny soatoavina kristianina. Ianareo mandeha mivavaka dia Andriamanitra ny patroanareo rehefa mivavaka, fa vao mivoaka amin’ny fiangonana ianareo dia miala tsiny fa ny patron anareo demony. Tsy ekeko, ary tsy hanaiky hatramin’ny farany aho. Aoka izay io fampitahorana lava io, Tsy misy dikany io ! Mila zavatra tsara i Madagasikara, ary mila raharaha madio ihany koa i Toamasina, ka tsy ekeko hatramin’ny farany io », hoy i Roland Ratsiraka. Nambarany fa tsy mahakivy azy ny fanenjehana variraraka, ary efa 25 taona nijoroany sy nitakiany ny fanajana ny soatoavina Repoblikanina sy soatoavina Kristianina. Andrasana indray izany izay ho tohin’ny fitakiana hotarihin’i Roland Ratsiraka. Hanao ahoana ihany koa ny ho setriny avy amin’ny Fitondrana ? Hamoronana dosie sy holazaina fa manohintohina ny filaminana anatin’ny Firenena, maniratsira ny Filoham-pirenena,… ve i Roland Ratsiraka sa hodiana tsy heno izay nambarany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra

Card image cap
17-mars-2025

Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana

Card image cap
17-mars-2025

Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina

Card image cap
14-mars-2025

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

Card image cap