airtel

Politique

17-nov-2023

Roland Ratsiraka

“Tsy azo itokisana intsony ny fitsarana eto Madagasikara!”

Sample post image

Tonga teny amin’ny tribonalin’Anosy ny 15 novambra 2023 ny kandida ho filoham-pirenena, Roland Ratsiraka,

17-nov-2023

sy ny ekipany nametraka fitoriana mikasika ireo naratra sy niharan’ny herisetra rehetra tao anatin’izay hetsiky ny kandida miisa 11 sy ny hetsika fotsy izay. Mandeha any amin’ny fitandroana ny filaminana, isany ny zandary sy polisy, no napetraka, hoy izy, satria fantantsika fa isan’ny hametrahanay fitoriana koa ny momba ilay rangahy goaka tarehy be iny. Ny zava-mitranga dia tsy fanajana zon’olombelona, tsy fanajana zo fototra isam-batan’olona, habibiana nasehon’ny zandary. Izany rehetra izany dia fitoriana apetraka eto fa apetraka any ivelany ihany koa. Izany hoe hatrany amin’ny sehatra iraisampirenena. Nampiasa hery mahery vaika foana ny mpitandro filaminana ary izaho dia isan’ny olona nidina an-dalambe foana. Nihetsika am-pilaminana tsy namaky na atody iray aza izahay nitondra ny hetahetan’ny malagasy nefa naripaky ry zareo foana. Ny entona mandatsa-dranomaso mba eo ho eo ihany fa ny tena loza dia ny fampiasana bala na zavatra hafa izay hitanareo fa be dia be ny olona naratra. Nisy olona nahazoanay porofo mitohoka amin’ny tenda toy ny sertifika momba ny fahasalamana, ny daty, ny andro. 25 isa ny olona naratra mafy tamin’ireny hetsika ireny. Raha fitsarana tsy miangatra toy ny any ivelany dia tokony ampanatsoin’ny lehiben’ny fampanoavana ny mpitandro filaminana voakasik’ireto zavatra ireto na ilay sampana, ohatra hoe sampan’ny zandarimaria, izay tomponandraikitra tamin’ilay fotoana, satria ankoatran’ny olona naratra dia nisy olona koa simba fananana. Hitantsika ireny grenady nipitika tamin’ny fitaratra na fiarana kandida sy ny toy izany. Mitodika amin’ny lehiben’ny fampanoavana, ny tribonaly, ny fitsarana aho. Ianareo ve momba kandida iray sa momba ny vahoaka malagasy? Mahita ireto ratra ireto ve dia tsy mba manontany tena hoe misy olana? Miteny lava ny mpitandro filaminana hoe fitoavana ara-dalàna no ampiasainy. Fitaovana ara-dalàna ve dia nandoaka lamosina vehivavy bevohoka? Hita tamin’izahay tany amin’ny hopitaly izany. Ilay iray farany iny goaka be ny tarehiny. Ny kandida iray notsaboina any an-dafy, tsy hay na mbola ahita iny masony iny na tsia. Fitaovana ara-dalàna ve izany andriamatoa prefe? Ho tsarain’ny tantara ianareo. Ezahanay ho vitaina tsara ny asanay eto ary ho tohizana any ivelany. Iaraha-mahita fa tsy azo hitokisana intsony ny fitsarana eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap