tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Rolly Mercia “Tokony ho efa nivoaka ny 16 janoary teo kanefa…”

Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly 25 janoary 2023 ny Maître Eric Rafidison Mpisolovava an-dRahajason Harry Laurent na Rolly Mercia.

26-janv-2023

Sample post image

Nialohan’ny niresahany ny raharaha mikasika io Minisitra teo aloha, dia nanazava fa tsy ara-dalàna ny “pourvoi en cassation” hoentina mitazona olona nohafahan’ny fitsarana. Isan’ny nahitana an’io ny raharaha Lionel Lelièvre sy ny namany tamin’ny famonoana ilay karana Daniel Radjan teny Ivandry ny septambra 2020. Nisy olona nohafahan’ny fitsrana heloka bevava, saingy nanao “pourvoi en cassation” ny “Parquet général” ka ny olona efa afaka tsy maintsy niandry fandravana. Tahaka izany ihany koa ny raharaha volamena 73kg izay nisy olona afaka saingy nisy tahaka izay ihany, samy afaka fa misy ny navotsotra ary nisy ny mbola notazonina satria nisy “pourvoi en cassation”. Rehefa tonga ny tamin’ny taom-baovao, namoahan’ny Fanjakana fanenan-tsazy, misy olona voaheloka fa misitraka ny fampihenan-tsazy, fa ny olona nohafahan’ny fitsarana mijanona any am-ponja satria mbola miandry an’ilay “pourvoi en cassation” ka na hisy fanenan-tsazy in’arivony aza, hoy ny fanazavany. Tsy vetivety, anefa, hoy izy ny dosie tsaraina any amin’ny “cour de cassation” ka ny ankamaroany misy 3 na 4 na 5 taona. Tsy mbola nisy hatrizay izany, fa ity Fitondrana an’io, hoy ity mpisolovava ity. Momba an’I Rolly Mercia, dosie roa no tany amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany. Nosamborina ny sy nogadraina nanomboka ny 16 jolay 2020 fa hoe: nanakorontana, naniraka olona hitaky ny famoahana an’I Berija,…. Nohelohina 44 volana. Nanaovana fampiakarana saingy notazonina ho 44 volana na nisintona ny fijoroana vavolombelona aza ny lehilahy iray nanondro azy nilaza fa nokaramain’ny vehivavy iray olon’ny fitondrana, ka mazava ny ambadika politika, hoy ity mpiaro azy ity. Raha ny kajikajy, ny 16 febroary 2024 no mivoaka I Rolly Mercia. Faharoa, nisy olom-panjakana ambony nanatona ny fianankaviana, ary nilaza fa ny olana dia noho I Rolly Mercia nanao fijoroana vavolombelona tamin’ilay raharaha fitoriana any amin’ny PNF (Parquet National Financier) any Frantsa, ka nasaina nanatsoaka an’io dia hoe hohafahana. Vao mainka nohelohina 44 volana, ary namoronana dosie vaovao fa hoe: nanao fijoroana vavolombelona mandainga matoa nanatsoaka. Nahazo fanenan-tsazy in-telo I Rolly Mercia, toy ny 24 jona 2021 tamin’ny alalan’ny didim-panjakana N°2021-67 nahazoany fanenan-tsazy 8 volana. Ny 23 jona 2022 tamin’ny didim-panjakana 2022-957 izay somary nampiady hevitra tao amin’ny fonja hoe: 6 na 8 volana,… Raha 6 volana dia tokony ho efa nivoaka ny 22 novambra, fa andeha atao hoe: 6 volana ary, ka tokony ho efa nivoaka farafahatarany ny 16 janoary 2023 teo I Rolly Mercia, hoy ny mpisolovava.
NANAOVANA FANOHANANA MBA HOTAZONINA, NAMOAHANA IST
Tahaka ilay fomba noforonana tamin’ny dosie Lionel dia nanao “pourvoi en cassation” ny “Parquet général” tamin’ny 12 janoary teo, 4 andro nialohan’ilay 16 janoary tokony hamoahana azy satria tsy tian’ny tompon’andraikitra havoaka dia tenenina ny ao am-ponja hoe: mbola misy “cassation” dia tazonina ilay olona, hoy I Maître Eric Rafidison. Tsy ara-dalàna ny hoe: olona afaka na tapitra sazy dia hanaovana “pourvoi en cassation” dia tazonina am-ponja, hoy ity mpisolovava ity nanamafy. Telo andro feno aorian’ny didin’ny “cour d’appel” ihany koa no ahafahana manao “cassation”, ka nambarany fa tokony ho 3 andro feno taorian’ny 7 mai 2021 no nanaovana izany. Tsy ilay dosie no mahamaika fa ny hitazonana an-dRolly Mercia any am-ponja. Voalaza fa handeha ihany koa ny raharaha “fijoroana vavolombelona mandainga”, ka manahy mafy aho amin’ny tsy hisian’ny fitsarana madio, hoy ny mpisolovava ity. Nambarany fa nisy tokoa ny IST na tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tany tamin’ny 11 janoary 2023. “Ahiana ve hoe: sao havoakan’ny fonja ihany satria tsy ara-dalàna ilay “pourvoi en cassation” ka handeha hisidina any Frantsa ho any amin’ny PNF? Raha io no mitohy, hisy olona ho main’ny afo natsangany ka miantso io olona io hoe: mba diniho ihany, fa mety hampitroatra olona izao”, hoy ny Mpisolovava Eric Rafidison.


Tsy mitsahatra mitotongana ny fahasalamany, ary ny fangatahana fitsaboana na tsy hoe: ho any andafy fa amin’ireo hopitaly eto an-toerana aza, dia misy manatsoaka tsy hita tao amin’ny dosie, kanefa izaho mihitsy no nametraka azy. Izay mihitsy ve ny tanjona hoe: hovonoina any am-ponja izy? hoy hatrany ny mpisolovava Eric Rafidison.
Toky R


 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus