Dia tena tsy misy ve ny vahaolana ahafahan’I Madagasikara mitraka sy hanantenana hoavy mamiratra? Mila mandray lesona amin’ny tantara isika, ary mila mamaritra ny hoavy! Andeha atao tahaka ny voankazo an’ala, ka ny mangidy arora, ary ny mamy kosa hatelina! Raha hanatratra ny tanjona, dia mila miova làlana. Isan’ny lesoka teto hatramin’izay ny olana ara-pitantanana, ny adilalahy politika,... Zary lasa aretina miotrika sy toa homamiadana mamely an’I Madagasikara ny tarazon’ny lonilony sy ny valifaty politika, hany ka lasa sorona ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Tao anatin’ny fitantanana an’I Madagasikara niainga taty amin’ny vanim-potoana nanambarana ny fahaleovantena ny taona 1960, roa taona taorian’ny nanambarana ny Repoblikan’I Madagasikara, saika nandalo krizy ara-politika hatrany ny firenena. Tamin’ireo 13 nitondra: ny iray nisy namono dia ny Kolonely Ratsimandrava tany amin’ny 11 febroary 1975, ny 5 niongana sy voatery niala tamin’ny toerany. Niongana ny Filoha Ratsiraka tamin’ny taona 1991 rehefa nangotraka ny tolon’ny Herivelona; tratry ny “empêchement” ny Filoha Zafy Albert ny taona 1996. Voatery nitsoaka tany ivelany ny Filoha Ratsiraka rehefa nipoaka ny krizy taorian’ny fifidianana 2001; tratry ny fanonganam-panjakana I Marc Ravalomanana ny 2009. Tratry ny fidinanana an-dalambe ihany koa ny Filoha Rajaonarimampianina ny 2018, ka voatery nifampizara governemanta tamin’ireo nanongana azy,... Tahaka izany foana ve ny sary politika tiana hapetraka eto? Fotoana kosa izao hamadihana ny pejy, ka izay tsara sy hita fa nety hatramin’izay tohizana, fa ny tsy nety kosa havalona any amin’izay. Mila firaisankiana sy fitiavan-tanindrazana ity firenena ity, mila fiaraha-mientana hiala ao anaty tarazon’ny fifandirana sy ny fitiavan-tena, mila mahatsapa ny rehetra fa ny isam-batan’olona no harena voalohany afaka mijoro ho fanohitry ny fampandrosoana an’I Madagasikara, mila ianarana sy fantarina hoe: iza ity Madagasikara ity ary inona ireo harena lehibe ananany kanefa tsy fantatsika, mba hahatsapan’ny rehetra fa hay tsy tokony ho tahaka izao ity firenena ity, fa manana ny herijika sy hoenti-manana rehetra ahafahany mandroso. Tsy afaka ny hiolonolona eto ihany koa anefa isika fa mila mivelatra amin’ny fanatontoloana, ka ny zava-dehibe dia ny fahaizana mifehy sy mikirakira izany mba ho lasa fanohitra satria efa rivotra mitsoaka maneran-tany ny toekarena nomerika. Tsy afaka ny ho tonga amin’izany rehetra izany anefa isika, raha tsy misy ny fiaraha-mientana hanavotra ity firenena ity!
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany