airtel

Politique

19-juil-2023

Politique

Sata ho an’ny fitondran-tena mendrika Am-polony hatreto ny antoko politika nanasonia

Sample post image

Ny fitadiavana vahaolana hitondra any amin’ny fitoniana dia lalan-tsaina nananganana ny antoko politika Fiombonana,

19-juil-2023

hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, tonga nanasonia ny Sata ho an’ny fitondran-tena mendrika ho an’ireo antoko politika na “Charte de bonne conduite des partis politiques” tetsy amin’ny FES Ankadifotsy omaly. Aza adino, hoy izy, fa taom-pifidianana ity taona ity. iIaina izay fitoniana izay. Tafiditra ao anatin’ny fitadiavana izany izao sata nokarakarain’ny FES izay vatsian’ny vondrona eoropeanina vola izao mahakasika ireo fitsipi-dalao tokony ankatoavina sy lalain’ny antoko politika rehetra mialohan’ny fifidianana mba tsy hisian’ny krizy aorian’ny fifidianana. Ny mampalahelo fotsiny dia hoe tsy maintsy miandry ireo rafitra avy any ivelany ireo ve vao afaka mikarakara izany sata ho an’ny fitondran-tena mendrika izany? Isaorana ny FES namolavola ilay sata izay nandalo teo ambany mason’ny antoko politika rehetra, izay tsy an-tery moa ny nanasoniavana izany. Ny tsy fahatongavan-tsainan’ny mpanao politika mikasika ny fanatsarana ny dingana hikarakarana fifidianana no mampalahelo anay ao anatin’ilay izy. Tsy maintsy miaina amin’ny zava-misy isika izao rehefa tsy tonga saina ny mpanao politika. Miha manakaiky ny fifidianana ka mba hahatonga anay anatin’ilay vondrona hety hanaiky ilay voka-pifidianana eo dia nanao sonia izahay mba tsy ho tomponandraikitra amin’ny mety ho korontana hisy raha toa ny antoko politika sasany tsy hanaiky hanasonia ity sata ity raha mizotra ara-dalàna ny fikarakarana fifidianana. Raha avy amin’ny fitondram-panjakana kosa ny tsy fahatomombanana dia tsy maintsy hitaky ny rariny mikasika ny voka-pifidianana foana kosa izahay, hoy hatrany ity antoko ity. Mbola am-polony moa hatreto ireo antoko politika nanasonia ity sata ary mbola manasa ireo antoko hafa hamaky sy hanasonia izany ny FES mialohan’ny fe-potoana ahafahana manatitra dosie filantsahan-kofidiana, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Légende: Ry zareo ao amin’ny antoko fiombonana
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap