airtel

Politique

18-avril-2025

Serge Imbeh Jovial

«Io tsy vitan’ny hoe manonofy dia hoe andao ity atao!»

Sample post image

Misaora an’Andriamanitra isika fa manana harena ahafahana mampandroso ny firenena,

18-avril-2025

hoy ny antoko politika AFIMA na Antoky ny fivoaran’ny malagasy. Ny harenan’ny firenena iray ihany no afaka mampandroso azy na afaka hanaovany otrikarena rehetra ao anatiny, hoy ny filohany, Serge Imbeh Jovial. Tsy ny Base Toliara no ratsy fa ny fomba hitondràna ilay izy no mampimenomenona ny olona sy antoko politika sasantsasany, hoy izy. Mila mazava ny fifanarahana amin’ilay orinasa mitrandraka fasimainty sy ny fanjakàna. Firy isan-jato tokoa no an’ny fanjakàna ao. Tadiavina eo amin’ny sehatra iraisampirenena izany atao hoe «terre rare» izany. Tokony hanana stratejia hirafitra amin’ny fiainam-pirenena amin’izany sy hampiditra tombontsoa ho an’ilay firenena anatin’izany isika. Sao ho toa an’Ambatovy na QMM ihany izy ity? Mivoaka fotsiny ny harem-pirenena fa vitsy ny mahazo tombontsoa. Tokony atao mangarahara ny fanadihadiana ara-tontolo iainana momba azy io! Inona no atao mba tsy hisian’ny fiantraikany ratsy ara-tontolo iainana amin’ny alalan’ilay tetikasa? Ho avadika ranomamy ve ny ranomasina? Izany mila dinihina mba tsy hoe mitrandraka eo 10 na 20 na 30 taona ilay olona dia miala avy eo fa simba ilay tetikasa. Tokony atao mangarahara koa ny tombony ara-tsosialy. Ampanamboarina lalana ve na sekoly na hopitaly ilay orinasa? Tsy maintsy misy an’izany foana amin’ireo fitrandrahana goavana toy io na aiza na aiza eto ambonin’ny tany. Ahoana ilay mponina manodidina? Miaina ao ny Mikea. Inona no vahaolana ho azy ireo, izay efa niaina an-taonany maro tao amin’ilay toeram-pitrandrahana? Mila manazava izany ny governemanta, ny minisitra tomponandraikitra, ilay kaompania. Mifandraika daholo ny fampiasam-bola goavan’ny fanjakàna. Isany koa ny Tanamasoandro sy fanamboaran-dalana. Io tsy vitan’ny hoe manonofy dia hoe andao ity atao! Tsy maintsy jerena foana ny mety ho vokatry ny fikasàna rehetra. Ho alainao fotsiny ve ny tanin’olona satria hoe ilain’ny fanjakàna nefa io no fiveloman’ilay olona? Na amin’ny firenena mandroso aza tsy maintsy misy ny atao hoe «compensation» na fanonerana. Raha ataontsika hoe tsy Imerintsiatosika, ohatra, fa Ivato no hanaovana Tanamasoandro, fantatrao fa 100.000 Ariary ny 1m2 dia ho vidianao 10.000 Ariary na 20.000 Ariary ve ny tanin’ilay olona? Tsy maintsy arindranao amin’ny mifandraika amin’ny hoaviny ny fanonerana omenao fanjakàna ilay olona fa tsy hoe mifandraika amin’ny androany ihany. Samy te ahita an’i Madagasikara handroso daholo fa misy drafitra sy lalana tokony ho arahina io fampandrosoana io. Manaraka ny fenitra! Tokony jerenao mialoha hoe hanao ahoana ireto vahoaka ireto rehefa ataoko ity tetikasa kasaiko atao ity, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap