Serge Zafimahova. Noho izany, hoy izy, tokony hanana fanetren-tena ny mpikambana omaly sy anio eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC, mba hangiana satria raha milomano ao anatin’ny tany tsy tan-dalàna i Madagasikara dia noho ny fanapahan-kevitra samihafa noraisinareo. Mazàna ny fanapahan-kevitra noraisinareo dia tsy manaja ny tany tan-dalàna sy tsy nametraka arofanina mba hisian’ny firenena tsara tantana. Izany dia noho ny fiarovana ny tombontsoa manokana sy ny fanapahan-kevitra politika tsy ara-drariny sy tsy manaraka ny lalàna izay viravirainareo no mahatonga an'i Madagasikara ho lasa repoblika sadasada tsy mitombona na “république bananière”. Raha ianareo mpikambana nifandimby tao amin’ny HCC no nampanaja ny tany tan-dalàna tsy mitanila, izay hany fanilo tokony manazava ny fanapahan-kevitra teo aminareo, efa mba nandroso kokoa ny firenena ary voafehy ny fihoaram-pefin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Tsy mila mitaky ny fahamarinana sy ny zo fototra any amin’ny arabe ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,