anjara amin’ny TICAD (Conférence internationale de Tokyo sur le développement en Afrique) andiany faha-8 indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Hanomboka rahampitso 27 sy ny 28 aogositra io. Ho any New York hiatrika ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-77 ihany koa amin’ny volana septambra. Handeha ho any ivelany indray, izay serasera sy fampalazana tena aloha no hita ho mirarakompana mitaha amin’ny vokatra azo, raha tarafina amin’ny zava-nisy hatrizay. Raha handray ohatra mivaingana, ny volana aprily 2022 teo, tany Etazonia, nireharehana fatratra ny hoe: fahatokisan’ny Fianakaviambe mpamatsy vola, ka nilazana fa hanova ny tantaran’ny faritra Atsimo no tanjona, nahazo tombondahiny ireo vahoaka satria maro ny tetikasa hotanterahina any Atsimo amin’ny alalan’ny famatsiam-bola azo nandritra ny dia tany Washington DC. Anisan’izany ny fandrakokafana tara iray manontolo ny RN10. Nambara tamin’izany ny fahazoana vola hatrany amin’ny 400, kanefa rehefa nojerena akaiky 00 tapitrisa dolara ny 2022, ary hitsinjara sy hitsitaitaika hatrany amin’ny 2028 aza io, raha ho azo. Nolazaina fa famatsiam-bola mizotra any amin’ny fanatanterahana ny PEM (Plan Emergence de Madagascar) hay io aza poakaty tamin’izany, ny 5-7 oktobra vao hampahafantarina ofisialy. Ary mbola tsaroan’Atoa Andry Rajoelina ve ilay hoe: tsy mila famatsiam-bola amin’ny mpamatsy vola mahazatra mampahantra sy tsy mampandroso fa isika aza hampindrana an’I Kaomoro? Ny tany amin’ny fivoriambe momba ny fiovaon’ny toetr’andro na ny COP 26 delegasionina efa manodidina ny 40 no nandeha fa inona no vokatra tena nentiny?
NOSY MALAGASY
Isan-taona, mihemotra foana ny fandinihana ny raharaha momba ireo Nosy Malagasy bodoin’ny Frantsay. Hanao ahoana indray amin’ity Fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-77 ity? Hahavita handresy lahatra momba ny handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra momba izany amin’izay ve ny Fanjakana Rajoelina? Sarotra inoana! Isan’ny fanamby nataon-dRajoelina nakana ny vaton’ny mpifidy ny famerenana an’ireon mialohan’ny 26 jona 2019, saingy aiza izany izao. Izao vao hoe: hiverina hiresaka indray ny vaomiera iraisana, saingy azo inoana 90% fa tsy hisy resaka famerenana ho vita raha ny Fanjakana Rajoelina no antenaina hanao izany. Raha mbola amin’izao tanjaka ara-toekaren’I Madagasikara izao, sarotra inoana izany, saingy I Andry Rajoelina moa tsy vao izao no nampanantena hanaka-danitra.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,