airtel

Politique

12-sept-2023

Siteny Randrianasoloniaiko

“Hiteraka korontana io vao misy aloka kolikoly sy sakantsakana eo”

Sample post image

Tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitry ny HCC, tsy tsara toerana isika rehefa manapaka hoe: izaho ny fanapahan-kevitra.

12-sept-2023

Ny lalàna momba ny zom-pirenena Malagasy anefa na hoentina any Amerika na any Asia na any Eoropa,… raha jerena amin’ny mikasika ny filoha teo aloha, ary izy tsy nandà hoe: izy vazaha, izy tsy nandà hoe: izy nangataka, ka amiko dia tsy Malagasy izy na hoentina aiza nah aka manam-pahaizana tahaka, fa eto Madagasikara moa iny ny fanapahan-kevitry ny HCC dia akory atao, fa tsy maintsy manaraka an’iny isika”, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko. “Ny fahatokisana ny fitondrana dia tsy misy, ary iny noresahana iny izao ny resaka angidimby, fa ny CENI moa nilaza fa tsy maintsy hampidirina daholo ny an’ny kandida manana izany, ary tahaka izany ihany koa ny fiaramanidina, mitovy tamin’ny fifidianana tamin’ny 2018 sy 2013”, hoy hatrany ity kandida ity. Ny hoe: hangarahara ilay izy dia miankina amin’ny CENI izay zavatra izay, raha ny nambarany. Notsipihiny kosa fa io vao misy zavatra misy aloka kolikoly dia hitondra fikorontanana eto Madagasikara, raha tsy hiteny fotsiny afatsy ny angidimby satria raha kandida tokana ihany no handeha hitondra an’izany, izaho tsy mino hoe: ho tafapetraka eto Madagasikara izany satria ireo mpanara-dia ny kandida hafa ihany koa tsy hanaiky izany, ka izay no mila sorohana dieny izao, raha ny fanehoan-keviny. Tokony havela malalaka ny rehetra hampiditra ny angidimby satria tsy tsiambaratelo ny fanomanan’ny fitondram-panjakana tsy hampiditra ny angidimby sy ny fiaramanidin’ny sasany, hoy izy. Izaho handray fiaramanidiko manokana dia nosintonina teo noho eo ny taratasy, handeha Air Madagascar, ny olona eo amin’ny “comptoir” noroahina daholo, ka raha izany ny zava-misy, raha izany ny fahadiovany, tsy hisy filaminana ny fifidianana eto Madagasikara. Toe-javatra tahaka izany no apetraka eto Madagasikara. Nilaza ho demokraty ary tsy nandray anjara tamina fanonganam-panjakana moa I Siteny Randrianasoloniako, ka nanambara fa hanaiky izay ho voka-pifidianana eo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap