araka ny serasera navoakany omaly alahady 8 janoary 2023. “Finaritra ny tenako nitafa taminy, nandritra ny famangiako azy noho ny taona vaovao 2023 tao an-tokantranony ao Bruxelles. Marihina fa teraka sy lehibe ary nandrato fianarana teto Madagasikara i H.E Irchad Ramiandrasoa Razaaly mialoha ny nanohizany fianarana sy niasany tany am-pita ary nahatonga azy ho « diplomate » avo lenta”, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Nomarihiny noho izany fa Stratejika tokoa ny toerana iasan’io Diplaomaty io ankehitriny satria i Ghana dia firenena lehibe manana ny maha-izy azy aty Afrika. Nahaliana noho izany ny tafa sy dinika nifanaovanay am-pirahalahiana, manodidina ny fifandraisana iraisam-pirenena sy jeopolitika, indrindra mikasika an’i Afrika sy Eoropa. Mazava fa ny fikatsahana ny tombotsoa ho an’i Madagasikara hatrany no mibaiko antsika. "Ny Malagasy aloha", hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Tsikaritra ho miezaka manamafy ny fifandraisana ara-stratejika sy ara-diplaomatika samihafa i Siteny Randrianasoloniaiko, izay heverin’ny mpanara-baovao ara-politika fa ho isan’ny kandida ho Filoham-pirenena. Ny fandaharana manokana nataony ny 24 desambra 2022 lasa teo, dia toa maneho fa efa tongotra mby an-dakana ny azy ny fahavononana na dia naneho aza izy, fa mbola hitety an’i Madagasikara hijery ifotony ny olam-bahoaka aloha, fa hanambara ofisialy ny fanapahan-keviny.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,