Naneho fa tsy mpamadika palitao, tsy TGV, ao anatin’ny vovonana IRD izay misy antoko maro. “Nisy fifanarahana mba ho tombotsoan’ny vahoaka ny niarahako tao. Tao ny resaka fananan’asa, angovo, fambolena, orinasa: simenitra, biriky,…. Tanterak’ity fitondrana ity ve ireo? Izaho no nivadika sa ny fitondrana no tsy nitana ny teniny? Raha miteny an’ireo dia fivadibadihana politika ve izany? Amiko amin’ny politika dia zava-dehibe ny fitazonana ny teny nomena”, hoy izy. Hitondrana fanatsarana ny fiainam-bahoaka no hanaovana politika ka mahatsapa aho, ary tsy izaho irery ihany, fa raha ny zava-niseho tao amin’ny Antenimiera, ny lisitra nomena mba hanonganana ny Praiminisitra dia fiainam-bahoaka ireny, ny maro an’isa no nitaky an’izany, ary anisany aho, hoy hatrany I Siteny Randrianasoloniaiko. Nambarany fa zavatra nimatimatesany sy nanohanany ny fitondrana ny angovo ao Sampona kanefa tsy nisy. 8 volana sisa dia ho tapitra ny fotoam-piasan’izao fitondrana izao, 4 taona taona tsy hita izay tena vokatra aminy. Tsy fivadihana politika, fa fijerena ny fahoriam-bahoaka, fijerena ny fampanantenana tsy tanteraka izay toa lasa ohatran’ny fitaka. Nahitsy ity mpanao politika ity nilaza fa tsy misy tsy mikaikaika, iza no tsy diso fanantenana tamin’izao fitondrana izao, ary tsy fomba firesaka mpanohitra ny filazana ny maharary ny vahoaka. Maro ny tantsaha no diso fanantenana tanteraka nandritra ny 4 taona. Ny lavanila sy litisia anaovana ampihimamba, ny drakaka giazan’ny sinoa, ny tantsaha vonoina amin’ny alalan’ny fanafarana vary fa tsy ny azy no mba vidiana,… Potika ny toekarena Malagasy, hoy ity mpanao politika ity. Ny fifanarahana nataoko tsy ny nidirana tamin’ny IRD fa ny fifanarahana tamin’ny vahoaka, hoy izy. Nanakianany izao fItondrana izao ihany koa ny resaka Jirama, izay nambarany fa nanomboka ny 2009 ny famotehana azy, kanefa efa tafarina nisy 49 tapitrisa dolara talohan’izay.
HO KANDIDA FILOHA VE ?
Ny ho Filoham-pirenena dia fitondrana fiainana tsaratsara kokoa, ary tsy hananganam-pahavalo ny maha Filoha izany. Ny rehetra no miara-mahalala fa tena resy sy marary ny Malagasy. Rariny raha mialohan’ny fanapahan-kevitro , hoy izy, raha mihaino ny vahoaka Malagasy. Handeha hihaino ny olan’i Madagasikara. Tsy mitovy ny olana isaky ny faritra, betsaka ny zavatra tsy azo lazaina fa gadraina izay miteny,… Amiko izany Filoham-pirenena izany, mila mahafantatra ny tena mahazo ny vahoaka, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko. Aorian’ny fitsidihana an’I Madagasikara, dia hanao fanambarana momba ny ho firotsahany. Naneho anefa fa matoa nanapa-kevitra handeha hihaino ny Malagasy, hijery ny zavatra manjo ny tsirairay isaky ny faritra, dia tapa-kevitra. Naneho fa ny nahadiso hatrizay dia ny politika avy any ambony, fa tsy avy any amin’ny olana ifoton’ny Malagasy. Fahadisoan-kevitra, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko, ny fiheverana foana fa olona tokana no afaka hanavotra an’I Madagasikara. Tsy ankinina amina olona tokana ny fampandrosoana fa miainga any amin’ny rafitra farany ambany ka hatrany an-tampony. Tsy misy olona tokana afaka hampandroso an’I Madagasikara, fa mila fiaraha-mandray anjara. Toa efa namelabelatra ny fandaharan’asa mifototra amin’ny Fanjakana tsara tantana na “bonne gouvernance”, naneho fa zava-dehibe ny fijerena ny laharam-pahamehana mifototra amin’ny “pyramide de Maslow” ka zava-dehibe ny resaka rano, sakafo, famokarana, tantsaha,… Manaraka izany ny fahasalamana,…Manamafy i Siteny Randrianasoloniaiko fa tsy sanatria miady aman’olona fa aleo hazava tsara kosa fa : ny Malagasy aloha no laharampahamehana sy tokony hahazo tombotsoa amin’ny zavatra atao eto. Andrasana ny akony eo amin’ny tontolo politika, indrindra fa ny ho fihetsiky ny Fitondrana, raha toa ka efa naneho kosa I Siteny Randrianasoloniaiko fa ijoroany ny heviny ara-politika, ary vonona hizaka ny vokany.
Toky R
Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha
Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU
Tsy maintsy hisy hanaraby ny irak'Andriamanitra, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika!
Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,
Miha mandroso ny fotoanan’ny fifidianana raha ho voatazona amin’ny 9 novambra ihany satria afaka iray volana roa volana eo dia higadona izany.
Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.