airtel

Politique

01-déc-2023

Siteny Randrianasoloniako

« Tsy hisy hanaiky valim-pifidianana eo raha… »

Sample post image

Nanamafy ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko omaly, fa tsy hanaiky mihitsy izay voka-pifidianana eo,

01-déc-2023

raha tsy misy ny fampitahana ireo vokatra manerana ny Nosy. Nirotsaka hofidiana, ary nandray anjara tamin’ny fifidianana, ka izay no nahafahana mamantatra ny kolikoly sy ny hosoka rehetra izay nisy nandritra ny fifidianana. « Zoko tanteraka ny milaza ny zavatra tsy mety rehetra nandritra iny fifidianana iny,... Tsy navela niditra ny delegenay nanerana an’i Madagasikara. Tamin’n’ny 12 ora teo vao tena afaka niditra, ary nanaiky izany Filohan’ny CENI izay nilaza hoe : « fa efa miezaka izahay ny hampidirana azy ireo» », hoy hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko. Nambaran’io kandida io fa rehefa hita ny fahavitsian’ny mpifidy teto Antananarivo sy tany amin’ny renivohi-paritany rehetra, dia nanomboka namboarina daholo ny tany amin’ny faritra rehetra, nezahina mihitsy ho 100%, 100%, ary nihoatra ny mpifidy voasoratra ny latsa-bato, izay nitondran’ny mpisolovavan’i Siteny Randrianasoloniaiko porofo maro izany, raha ny hita tamin’ny famelabelarana sy ny ampamoaka omaly. Nalefa ny fitoriana nitakiana ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra manerana ny Nosy, saingy tsy tena nahazo rariny. Raha tsy misy ny « confrotation » dia tsy manaiky io fifidianana io, raharaham-pirenena io, filoham-pirenena no fidiana eo,… ka raha tsy tanteraka io dia tsy misy hanaiky izay valim-pifidianana eo, hoy hatrany izY. Nanamafy ny fitakiana ny fanafoanana manontolo iny zotram-pifidianana iny, ny fanafoanana ny naha kandida an’i Andry Rajoelina,… moa i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny mpiara-dia aminy, ka mbola nisy ny fitondrana ireo voalaza fa porofo samihafa nilazan’izy ireo fa tena feno hosoka sy tsy fahamarinana ka tsy azo ekena ny fifidianana. Anisan’izany ny filazana fa tsy misy na iray aza tamin’ireo fitanana an-tsoratra nanaovana fampitahana dia tsy nisy tsy nahitana tsy fahatomombanana ka nitakiana ny fampitoviana an’ireo 27000 mahery manerana ny Nosy, tsy voahaja ny fahadiovan’ny latsa-bato, tsy mitovy ny voalazan’ny PV sy ny voasoratra rehefa atao « Scan », nisy ny tsindry sy baiko natao tamin’ny HCC izay isan’ny antony hahafaha-mainintsana kandida, tsy voahaja ny fitovian’ny kandida, nisy ny fitanilana tamin’ny fitantanan-draharaham-panjakana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap