Efa tsy taka-bidy hatramin'ny savony, hoy ireo ary zavatra tsy fahita hatramin'izay niainana izany.Sahirana ny vahoaka, sady tsy ampy sakafo no tsy mandry fahalemana, tena mafy ilay fiainana. Fanomezana sehatra sy fisokafana amin'ny vahoaka, hihainoana ny hetahetany ny hetsika Mihava Tour ary dia maro be hatrany isak'izay toerana aleha ireo olona tsy misalasala miteny ny manahirana sy ny mampiady saina azy.Anisan'izany izao ohatra ny fanehoan-kevitry ny mponina tao Befandriana io omaly io fa tsy mifantoka amin'ny laharampahamehana takian'ny vahoaka ny hoe fampandrosoana nentin'ny mpitondra . Noraisina ohatra ny hoe : tsy ny fanomezana moto ny ben'ny tanàna no manatsara ny fiainam-bahoaka , tsy miteraka fampandrosoana izany, hoy ny resaky ny mponin'i Befandriana omaly.Ny eny amin'ny fokontany sy ny mpampianatra anefa tsy jerena akory. Ka izay indrindra no antony hametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana hoy i Siteny Randrianasoloniaiko ka averina any amin'ny vahoaka ny fahefana; ny eny ifotony no mahalala ny zavatra tena ilainy sy ny mety aminy. Efa nanambara ny hanolorana volavolan-dalàna manome vola ny kaominina moa ny kandida laharana faha 13 Siteny Randrianasoloniaiko raha toa ka izy no lany eo.
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,