Ampangain'izy ireo ho manao tsindry hazo lena, jadona, ramatahora, sy ny toy izany ity ben’ny tanàna ity. Ny kabarin'ny depiote, ny faran'ny herinandro teo, no nandrenesana fa milaza ho miara-matory amin'ny filoha io olona io rehefa any Antananarivo. Na ry zareo samy ao anaty TGV aza toa tsy mifanara-tsaina amin'io ben'ny tanàna io, noho ireo antony voalaza. Mijoro vavolombelona ihany koa ireo mpitandro filaminana fa ampihorohoroany sy toriany any amin'ny lehibe raha mahatratra azy mandika lalàna, ohatra, amin'ny resaka toaka gasy. Ny tena nahatezitra ny maro dia tsy hay na tsy fahaizana na fanahy iniana fa nivadika ny sainam-pirenena tao amin'ilay kaominina, araka ny hitan'ireo vahoaka, ny zoma 10 marsa teo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny