airtel

Politique

10-févr-2025

Sophie R: Rotaka ara-pifidianana

«Tifiro sy gadrao ny vahoaka raha izay no hitanareo fa fahendrena »

Sample post image

Mafampana ny toe-draharaha any Vatomandry manoloana ny fanatsimbadihana voka-pifidianana tao amin’ny kaominina miisa 2

10-févr-2025

dia ny tao Ambodinonoka sy Antanambao Mahatsara. Tafakatra 19 ireo olona nosamborina, ary misy ireo mitsoaka sy matory any anaty ala, raha ny fanamarihan’ny depiote Sophie Ratsiraka. « Natao didy jadona ny fametrahana kandida izay tsy lanim-bahoaka. Tsy misy demokrasia, very zo ireo olona, natao bontolo ny fametrahana kandida tsy lany, ka ny kandida lany 75% no atao tsy misy fa ny 25% no nakarina. Ahoana no hitondran’ny olona tsy lanim-bahoaka, tsy lany kanefa hiziriziry. Nosamborina ny olona niaro ny zony, kanefa zon’ny vahoaka ny miaro ny safidiny, tsy nisy fanimban-javatra, tsy nisy doro trano,… », hoy io depiote io.
TSY MISY DEMOKRASIA INTSONY ETO
Rtoa Sophie Ratsiraka dia « Vice-présidente de la commission Démocratie, gouvernance et droit de l'homme » eo anivon'ny parlemantan'ny SADC ka naneho fa efa lasa any ny tatitra mikasika ny zava-mitranga ao Vatomandry. Navoitran’io olom-boafidy io, fa tsy misy intsony ny demokrasia intsony eto, tsy misy intsony ny fanajana ny zon'olombelona, lasa toy ny tany miady Vatomandry fa « forces » telo fiara no efa any an-toerana ary mbola miampy aza, mbola mitohy ny fisamborana ary misy ireo olona mitsoaka any anaty ala. Ingahy Andry Rajoelina ho Filohan’ny SADC aoriana, efa mirehareha ho mpandamina rotaka, kanefa ny eto aza io tratry ny tatitra io, fa anjakan’ny fanitsakitsahana safidim-bahoaka, misy rotaka, fanenjehana, fisamborana, fanagadrana,… tsy voalamina. Manoloana ny hoe : tsy misy vahoaka haharesy basy, dia izaho mahita hoe : raha ohatra ka izay no tian’ny mpitandro filaminana hatao hitifitra ny vahoaka dia mahasahia izy hatramin’ny farany, tifiro ary ny vahoaka satria ny vahoaka tsy azonareo sakanana, mino an’Andriamanitra, mijoro amin’ny rariny sy hintsiny, matoky ny hiverenan’ny safidiny, hoy i Sophie Ratsiraka.
MBA NANAMPY NY FITONDRANA KANEFA…
Ny namanay izay nangalarana vato, dia Ratsirakista nanampy izao fitondrana izao dia hanaovana tsy rariny, hanaovana bontolo, mba mampalahelo ihany, fa raha hitifitra vahoaka moa izany no hitantsika fa vahaolana, dia hifampitifitra izany dia fatiolona no horaisina eto raha izany no mampety ny mpitandro filaminana, ka teny tsy voahevitra kosa angamba, hoy ity depiote lany tao Vatomandry izay efa minisitra tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina ity. Kandidan’ny RPR izay tarihin-dRtoa Sophie Ratsiraka moa ireo noresena amboletra sy nampiakarana ny IRMAR ireo. « Tsy tany miady akory ny eto Vatomandry ka hampitahorina amin'ny basy sy miaramila efa ho 40 ireto vahoaka tsy manana hafa tsy tanam-polo. Ankehitriny dia 19 no voafonja ary mitsangana ny tenako amin'ny maha solombavambahoaka satria zava-dehibe ny fanajàna ny safidim-bahoaka eto amin'ny tany sy ny Fanjakana », hoy hatrany i Sophie Ratsiraka. Nirohotra teny amin'ny tobin'ny zandary Vatomandry ny mponina (solontena) avy amin'ny Kaominina Ambodinonoka sy Antanambao Mahatsara hangataka fanazavana momba ireo vosambotra noho ny hetsika fanoherana ny famadihana ny valim-pifidianana, saingy vosakana tany amin’ny 100metatra nialoha. Andrasana ny tohiny satria ny sabotsy teo no voalaza fa efa nisy fampiakarana fampanoavana ! Henjana ny fanoherana ny heverina fa fanatsimbadihana safidim-bahoaka any Vatomandry sy ny toeran-kafa, mba manao ahoana ny eto Antananarivo ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap