Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana ny kandida Tahina Razafinjoelina. Nafana tokoa ny fihaonana tamin’ireo mpikatroka FTT manerana ny faritany sy mpiara-dia marobe ary ireo mpikambana vaovao. Nifanakalo hevitra tamin’ireo Raiamandreny Ampanjaka sy Sojabe izay naneho fahavononana sy fitiavan-tanindrazana ho amin'ny vina iombonana hampandrosoana an'i Madagasikara. Nitodika tamin’ireo tompon'andraikitra mahefa rehetra kosa I Tahina Razafin’jolina satria maro be ireo tsy afaka nanatrika ny fihaonana, indrindra ireo mpampianatra noho ny fandrahonana ataon'ireo tompon'andraikim-panjakana. Tsy azo ekena ary tsy rariny ny zavatra toy izany. Maniry ny mbola hihaona aminareo indray ny tenako ary manasa anareo hitsidika ny toeram-piofanana FTT eto Mahajanga etsy Ambalavato izay efa nosokafana maimaim-poana, hoy izy. Fotoana nanokafana ny Foiben-toeran’ny FTT sady toeram-panofanana hifampizarana fahalalana samihafa ihany koa io. Tsara ny ivon-toerana satria tonga dia tanora no jeren'ny FTT: asa, fianarana,... Nomarihin’I Tahina Razafinjoelina rahateo, fa isan’ny manana herijika ara-toekarena lehibe I Mahajanga. Ny ranomasina, ohara, dia lasan'ny olona ny trondro kanefa io no harena lehibe indrindra, ny harena an-kibon’ny tany amin’ny alalan’ny “Huile lourde”, malakita, volamena, vato sarobidy,... Efa lasan'ny vahiny indray io vao ho gaga isika. Ny “Fruits secs” afaka alefa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena tena be mpitady be io, be mpanjifa,... “Mila fanabeazana isika, mahalala ny tanintsika sy ny harentsika.Tandremo, mody omena vary iray vilia dia matory, falifaly indray andro na herinandro fa mitondra faisana 5 taona satria tsy maintsy hamerna ny vola nindraminy na notrosaina ilay kandida lasa filoha”, hoy izy nampisaintsaina ny rehetra.
MANANA HARENA, AFAKA MAMOKATRA HIATREHANA NY TSENA IRAISAM-PIRENENA
500 miliara dolara isan-taona ny tsenan’ny jono maneran-tany, i Madagasikara no manana velaran-dranomasina ngeza indrindra aty Afrika. Raha mahay isika, mahazo ny 1% monjan’io tsena io dia efa 5 miliara dolarana anie izany , hoy I Tahina Razafinjoelina fa mahavita tetibolam-panjakana taona iray. Moa fantantsika ve fa 22 euros ny kilaon’ny voanjobory atsy amin’ny nosy Maorisy ? Raha mahatondraka io tsena io isika, efa mety. Tadidio fa Volam-bahoaka sy fanana-mbahoaka no mamelona ny Fanjakana. Tanjona ny hoe 70% lasa any amin’ny faritra mba hiasainy. 10 000 miliara ariary isan-taona ny tetibolan’ny fankana, nefa ohatrinona no mba tonga any amin’ny vahoaka ? hoy izy. Jirama aza delestazy kanefa masoandro be io afaka avadika herinaratra, hoy hatrany ity kandida ity. Nomarihiny kosa fa tsy mila manova lalampanorenana izany fa mety sy ampy hampandrosoana firenena io efa misy izao io. Tsy manonofy na mampanonofy i Tahiana Razafinjoelina, fa azo atao amin’ny rariny ny fitsinjarana sy fampiasana ny volam-panjakana io. Mila miova ny fomba fijery, fampielezana hevitra no hatrehantsika atsy ho atsy fa tsy fampielezana vola, hoy izy, ka nilazany fa miainga amin’ny volam-panjakana foana isika vao mampanantena. Ny zavatra hita fa ho vita no tenenina, tsy maintsy atao izay haha tsara tantana ny volam-panjakana, izay no maha zavadehibe ny fampiasana ny teknolojia amin’ny alalan’ny Madagasikara Nomerika. Hitsirihina ireo mpiasam-panjakana matoatoa ohatra, efa tsy miasa intsony kanefa mbola handoavan’ny fanjakana vola ihany.
MILA MIFAMELONA FA TSY MIFANINANA NY MALAGASY
Mifanome hery sy fihofahana ny malagasy, tsy handroba vahiny isika na haka fanan'olona. Rehefa laharam-pahamehana ny malagasy dia avotra. Tanjona ny hahafahan’ny Malagasy mandraharaha sy afaka mifaninana tsara amin’ny vahiny no sady mitodika amin’ny tsena iraisam-pirenena. Aza kivy izany fa mbola azo atao tsara ny mampandroso ity Madagasikarantsika ity. Ny tena fahaizana dia ny fahaizana mandresy. Misy zavatra mila ahitsy eto, dia ny fanomezan’ny mpitondra vola hanamboarana lalana fa tsy manamboatra lalana. Tsy ratsy ny mpitandro filaminana fa mila omena azy ireo ny vola sy fitaovana ahafahany miasa araka ny tokony ho izy. Hiara-hiasa akaiky ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny indostria, omena toerana ny manampahaisana sy teknisianina malagasy fa tsy isaky ny mihetsika dia hanafatra vahiny foana. Tsy maintsy miara-miasa ny Malagasy, mahay miara-miasa, jereo ny fomban’ireo Karana eto amintsika mifanohana sy mifanampy izy ireo fa tsy mifampialona na mifaninana na mifanenjika izany, hoy I Tahina Razafinjoelina. Ianareo ve efa nahita karana hoe mpibata entana no asany teto, tsia… Ny Malagasy no manao an’iny, misy amin’ireo karana ireo anefa no tonga teto, dia ny enta-keliny fotsiny no niaraka taminy fa ny karana hafa efa nihary teto no manampy azy. Diso nampianarina nifaninana loatra isika any am-pianarana, izany no nampianarin’ny mpanjanaka, hany ka lasa mifaniry ratsy rehefa avy eo, misy resaka fialonana, raha ny fanamarihany. Izaho tsy hoe tsy tia frantsay, ny zavatra napetrany teto no tsy tiako, hoy izy. Tsy maintsy manova rafi-pampianarana isika Fiarahamonina mifampijerijery ny eto dia tsy sahy mandraharaha satria matahotra sao midona amin’ny rindrina. Maro ny zanaka Malagasy any am-pianarana tsy sahy mametraka fanontaniana, matahotra.
TSY MILA MITADY VONINAHITRA, MILA MAMORONA HARENA
Tadidio fa tsy fahasoavana ny fahanginana! Miresaka fa mifanaja! Fomba fiasa hafa ity : « Efa mampanao fanadinana aho ka bedy izay tsy miresaka, documents autorisés. Dokotera ve tsy afaka mampiasa boky rehefa misy marary, tsy afaka miantso naman ave izy hoe ahoana no atao ? Tonga dia zero kosa anefa ny naoty raha vao mitovy be eo ny valiteny aaa… » Mila mahay mifanampy sy mifanohana amin’ny tsara isika. Betsaka ny tany mahavelona fa noverezina tamin’ny fanabeazana voninahitra fa tsy fahombiazana. Ampandefero ny voninahitra rehefa te ho tafita. Mila iainana ny finoana tiavo ny antsika, mahay ny malagasy, tsy misy tsy miaiky an’izany. Ohatra : Misy malagasy mahavita basy sy bala anie eto! Nahoana anefa isika no mividy any ivelany. Mila alamina sy arindra tsara fotsiny io. Tsy ratsy mihitsy ny mitrosa, fa mila mahay mitantana ny trosa nalaina, ataonao inona iny ? Asa mamokatra harena no atao fa tsy falifaly mandany ny vokatry ny harena fotsiny. Tadidio tsara: ny fahantrana no mitarika ny olombelona hanaotao foana, hanimba tontolo iainana. Na inona na inona resahana dia toekarena foana no vahaolana.Mila mamokatra, mamorona asa, manodina ny vokatra, mmanana vokatra ampy, afaka manondrana vokatra. Izay ihany no vahaolana. Tsy vahaolana ny fanampiana lava fa hoe mampalahelo ny socialy. Mila karohina ny vahaolana hanomezana asa ny olona sy hamokarany dia milamina ho azy ny sosialiny fa aza zarina omena maimaimpoana sy toloram-potsiny ny vahoaka, hoy I Tahina Razafinjoelina.
RTT/Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny