na Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana, tarihin’ny Kandida ho filoham-pirenena Tahina Razafinjoelina. Nisy ny fanehoan-kevitra nataon’ity kandida ity taorian’izay, ka nilazany, fa manahy amin’ny korontana mialoha mandritra ary aorian’ny fifidianana ny ankamaroan’ny herivelona politika eto Madagasikara. Io no nisongadina tamin’ny fandraisam-pitetenan’ireo mpanao politika izay manao ny fihaonam-be Nasionaly miaraka amin’ny FFKM, raha ny nambarany. Hoan’i Tahina Razafinjoelina dia tsy tokony ho olana ny fanemorana ny fifidianana mba ahafahana manao fandaminana isorohana izany korontana izany. Nanipika anefa izy fa efa vonona amin’izay tranga miseho eo na hirosoana io fifidianana io na ho ahemotra, saingy nanipika fa tokony hialana ireo zavatra mety hamotika ny firenena. “Zavatra marina be dia be no resahana ao ary saika izay daholo ny tsanga-kevitra ao satria manahy amin’ny korontana kanefa tena tsy mila korontana intsony ny firenena. Matoa nanapa-kevitra hilatsaka dia tsy sanatria manohitra ny hevitra teto, fa dia izay no notenenina teo hoe: tsy resaka daty izy ity fa matoa vonona hilatsaka dia tsy daty no olona fa mivonona amin’ny zavatra rehetra satria ny stratejia hoentin’ny etsy am-pita tena zavatra hafa mihitsy ka tsy maintsy mivonona amin’ny zavatra rehetra. Marina tanteraka ihany koa anefa ny noresahin’ny tato hoe: tokony hahemotra sy halamina aloha fa be loatra ny zavatra tsy milamina”, hoy I Tahina Razafinjoelina.
TOKONY TSY HISY FIANGARANA
Noresahany ihany koa ny fisiana endrika fitanilana izay miendrika sakantsakana miseho amin’ny endrika samihafa. Isan’ny ohatra noraisiny tamin’izany ny resaka fahafahan’ny kandida mampiditra ny fitaovana tahaka ny angidimby. “Efa mipetraka aza ny dosie momba ny fampidirana angidim-by izay efa tamin’ny 13 aogositra, efa feno daholo ny dosie rehetra ilaina napetraka tamin’ny ACM, kanefa hatramin’izao mbola tsy mahazo valin-teny. Isan’ny napetraka tao anatin’ny FFKM noho izany ny fangatahana hoe: aleo mba hitovy daholo ny kandida rehetra fa manjary lasa misy fiangarana”, hoy ity Kandidan’ny FTT ity. Nilaza noho izany I Tahina Razafinjoelina, fa tokony hanapa-kevitra ihany hoe: ahoana marina ity raharaha ity satria ny fijery azy dia mety hanahirana. Maheno ilay resaka eo dia tena miteny hoe: mety hanahirana io raharaha io, fa ny tena dia vonona, fa raha ny olona rehetra ao dia tokony hialana ny toe-javatra rehetra izay mety hamotika ny firenentsika, hoy hatrany izy.
ZAVA-DEHIBE NY FINIAVAN’NY FFKM HIKATSAKA NY FAHAMARINANA
Notsiphin’I Tahina Razafinjoelina, fa zava-dehibe ny fandraisan’ny FFKM andraikitra eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny. Betsaka, hoy izy, ny andraikitr’ireo Raiamandreny ireo, ary tena hajaina ny Filoham-piangonana, mbola tsy nisy sahy nikitika na nanao ratsy azy ireo raha nijoro tamin’ny fahamarinana izy, ka zava-dehibe izay, koa andao hikatsaka ny famamarinana ho an’ny firenentsika, hoy I Tahina Razafinjoelina. Mahalala sy nampahafantarina azy ny zavatra miseho, ary any am-pelantanany ny fangatahana rehetra. Tsy azo atao na inona na inona izy ireo rehefa mijoro, anjarany izay hoe: hatraiza ny heveriny fa fahamarinana, fa izahay dia nanipy fotsiny ny hevitray hoe: hatreto ka hatreto, ary marina kosa ilay hevitra na na tiana na tsy tiana, hoy I Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Tsy mahantra fa ampahantraina hatramin’izao ny malagasy, hoy ny mpikatroka eo
Tapa-taona aty aorian’ny fanapahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny septambra 2024
Fanamby amin’ny fahantrana ity fa tsy fanamby eo amin’ny isika samy isika, hoy ny
Politika ivelan’ny firenena no atao hoe diplaomasia, hoy ny antoko politika
Tena manao izay ho afany ireo mpiaro ny filoham-pirenena sy mpiaro izao fitondram-panjakana
Tsy miova ny fomba fijerin’i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy ireo, dia ny famerenana »,