airtel

Politique

04-août-2023

Politique

Tahina RAZAFINJOELINA Hizara ny « Tsotra, Marina, Mahomby »

Sample post image

Amin’ny maha olom-pirenena, amin’ny maha mpampianatra ary amin’ny maha olon’ny serasera azy dia nisafidy ny hiresaka misimisy kokoa amin’izay i Tahina Razafinjoelina ka hilazalaza ny fahitany ny zavamisy eto Madagasikara.

04-août-2023

Tsy hitanisa olana fotsiny anefa na hanakiana be fahatany ny hafa fa hilaza ny zavamisy ary hanolotra sosokevitra sy vahaolana. Tena mila fantarina tokoa mantsy ny zavamisy marina fa tsy vitan’ny resaka tombatombana na kajikajy politika fotsiny ny fiainam-pirenena. Anisan’ny tena zava-doza ny hoe mahi sy mahalala ny tsy mety, manana vahaolana kanefa tsy mitenhy tsy mivolana ary tena moana tahaka ny trondro. Tsy maintsy misy ihany koa anefa ny fotoana handinihana sy hamakafakana tsara ary handrafetana ny ventin-kevitra rehetra zay vao miresaka fa tsy entina amina fahatairana. Ny alatsinainy 7 aogositra ho avy izao amin’ny ora alina no hiresaka ao amina haino aman-jery vitsivitsy eto an-drenivohitra i Tahina Razafinjoelina, ny tena ahafantaran’ny maro azy dia filoha mpanorina ny Vidy Varotra, izay niainga tamina gazety an-tsoratra tokana , 20 taona latsaka kely lasa izay, fa ankehitriny kosa dia efa vondron’orinasa misandrahaka amina sehatra maro (asa fanaovan-gazety, haino aman-jery sy serasera, hotely, fampianarana, famokarana, fanohanana ny tantsaha…) ary manana sampana any ivelany. Tsy mety intsony ny mangiana manoloana ny zavamisy iainan’ny firenena sy ny fahasahiranan’ny Malagasy kanefa i Madagasikara da sady tany manankarena no mamokatra hoy i Tahina Razafinjoelina . Tsy mifanaraka intsony amin’ny zavamisy, hoy izy ny fampianarana omena ny zanaky ny Malagasy eto, ka fotoana izao hifampizarana ny tena mahasoa fa tsy variana amina fifaninanana miteraka fifandrafiana sy lonilony any anaty fiarahamonina fotsiny. Maranin-tsaina sy mahay ny Malagasy ary tena ikoizana amina fianarana sy sehatry ny asa any ivelany, fa nahoana anefa eto Madagasikara dia toa ny vahiny no mitady hanjakazaka. Misy fifampizarana hevitra hampivoarana ny isam-batan’olona sy ny fanabeazana ary ny fomba fiasa ka izay no antony hiresahana amin’izay. Tsotra, marina, mahomby hoy i Tahina Razafinjoelina izay.Ny alatsinainy 7 aogositra izao izany mahita ny andinindiny ao amin’ny TV Plus Madagascar, Real TV, Kolo TV ary ny TOP Radio. RTT
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap