airtel

Politique

05-sept-2023

Tahina RAZAFINJOELINA Kandidan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana

“Ny hahatafita ny mpiara-belona aminy no tokony ho tanjon’ny mpitondra”

Sample post image

Tafapetraka ny alatsinainy 4 septambra 2023 teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) Ambohidahy ny antontan-taratasy filatsahan-kofidian’i Tahina Razafinjoelina

05-sept-2023

avy amin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT). «Roso ny dia, tsa mipody koa!”. Nambarany fa efa ela no niomanana, feno antontan-taratasy, feno ny fepetra ary tonga ny fotoana tsy maintsy hijoroana sy handraisana andraikitra amin’izay ho an’ny Malagasy, ho an’ny Tanindrazana. Nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety no nanamarihan’ny kandidan’ny FTT fa mpampianatra izy, ary misy dikany lehibe izany. Tanjon’ny mpampianatra, hoy izy ny hahatafita ireo mpianany, ary ny tanjon’ny mpitondra dia tokony hoe ny hahatafita ireo mpiara-belona aminy.
LOHARANOM-BOLA
Maro no manontany tena hoy i Tahina Razafinjoelina hoe mpampianatra ve dia hanana 200 tapitrisa ariary anto-bola ho an’ny kandida Filoha. Isaorana an’Andriamanitra, hoy izy, fa misehatra amin’ny fampianarana eto an-toerana sy maneran-tany, ary efa an-taonany maro no efa nanaovana izany ankoatra ny orinasa maro izay eto an-toerana. Nomarihiny fa tsy misy na Ariary aza avy amin’olona hafa, fa avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka malagasy sy avy amin’ny orinasa tantanin’ny tena eto an-toerana sy any ivelany ny vola ampiasaina satria efa am-polo taonany no niarahana nisalahy tao anatin’izany.
ADIDY AMIN’NY FIRENENA
Tsy maintsy manana paikady foana amin’ny politika, na inona na inona miseho dia tsy maintsy vonona satria andraikitra izy ity, adidy izy ity, hoy ny kandidan’ny FTT. Mpampianatra ny tena ary mahatsiaro manana adidy amin’ny firenena. Izaho izao 6 sa 7 taona no tsy nandray karama teny amin’ny Oniversiten’Ankatso kanefa nanohy foana ny fampianarana satria nianatra teny aho ka mahatsiaro ho manana adidy. Adidy raisina ho an’ny firenena izao ataontsika izao ary isaorana ireo antoko sy mpanohana rehetra noho izao andro androany izao, hoy izy nanohy ny resany.
TENA MIASA
Niasa foana isika hatrizay fa tsy mba be resaka dia mety izay angamba no lesoka mahatonga ny olona sasany hanontany hoe fa inona no mba vitanareo ity? Mety tsy fantatrareo izao fa izaho dia mamboly, katsaka 500 ha any Fianarantsoa, tamin’ny 1988 fony vao 10 taona no efa namboly vary tany Antsohihy, ny taona 1990 nanao vary sy katsaka tany Tsiroanomandidy, hoy i Tahina Razafinjoelina izay nanamafy ny maha olon’ny asa ahitana vokatra azo tsapain-tanana azy.

ZOM-PIRENENA
Momba ilay adihevitra mikasika ny zom-pirenenan’ny Filoha am-perinasa dia apetraka amin’ny fitsarana ilay resaka , hoy i Tahina Razafinjoelina satria mijery ivelany daholo isika izao fa tsy mpitsara. Tsy maintsy hapetraka amin’ny fifampatokisana ny fandrosoana, ny Fitsarana Malagasy dia manana ny maha izy azy. Manana fijery amin’ny maha mpanao politika ny mpanao politika fa ny mpitsara no manapa-kevitra ary manantena isika fa hiseho ny marina eto amin’ity firenena ity. Manana “équipe juridique” na ekipa momba lalàna isika, dia izay no mahatonga ahy miteny hoe: raha ny lalàna dia tsy tokony ho afaka milatsaka, fa ny mpitsara anefa no tompon’ny teny. Izahay mpanao politika manao antso ny amin’ny ivoahan’ny marina, tsy afaka manery na iza na iza izahay. Mahatoky isika fa ny marina no hiseho, hivoaka ny tena marina eto amin’ity firenena ity dia satria ny fifampatokisana no mampandroso.
VINAN’NY FTT
Fanabeazana, Fitsinjaram-bolam-panjakana, Madagasikara nomerika. Ireo no Vina fototra iaingan’ny fandaharan’asam-pampandrosoan’ny Tia Tanindrazana ary tanterahina ao anatin’ny firaisankina izany, miaraka vao mandresy fa tsy mandresy vao miaraka. Tsy mandainga, tsy mampanonofy , tsy mampanantena zavatra tsy eo am-pelatanana fa ny ananana no iaingana sy tsinjaraina araka ny tokony ; ho izy. Tsy maintsy arahana fitsinjarana tetibola sy fitaovana ary fahaiza-manao ny fitsinjaram-pahefana mba hahomby. Ny fanabeazana no lalan-tokana ahafahan’ny Malagasy misitraka ny harem-pirenena eto Madagasikara. Hizara hevitra, hizara vina, hizara fahalalana ny FTT mandritra ny fampielezan-kevitra fa tsy hizara vola na sanatria hividy ny vaton’ny Malagasy mpifidy ; tena samy hafa mihitsy ny hoe fampielezan-kevitra sy fampielezam-bola,hoy i Tahina Razafinjoelina.Fitaovana fotsiny ihany ny vola fa ny hevitra sy ny asa no mampandroso, tsy maintsy misy anefa ny fanabeazana, fanofanana ary fifampizarana traikefa mba hanatontosana izany. Afantoka amin’ny Malagasy ny rafi-pampianarana eto ary fanabeazana mitodika amin’i Madagasikara no apetraka. Ho an’i Tahina Razafinjoelina sy ny FTT dia natao hanasoavana ny vahoaka ny volam-panjakana izay volam-bahoaka fa tsy hoe fananana manokan’ny mpitondra ka hireharehana isaky ny hoe mahavita zavatra. Ny tetibolam-panjakana no nahavitana ny asa fa tsy hoe ny mpitondra no nanolotra an’izatsy sy izaroa. Hametraka Vina Tsotra, Marina, Mahomby ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana hahatanteraka ny tena fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara.
Kandida : Tahina RAZAFINJOELINA
Vovonana manolotra : Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT)
Teny filamatra :Tsotra, Marina, Mahomby
Kongresy nasionaly nisafidianana ny kandida : 12 aogositra 2023 tao Fianarantsoa
Nametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana : 4 septambra 2023 HCC Ambohidahy

DAMA MAHALEO
“NAHITA VINA MIFANARAKA AMIN’NY NY AZY NY TARIKA MAHALEO”
Anisan’ireo tazana hatrany miara-dàlana amin’ny kandidan’ny FTT na Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana dia I Tahina Razafinjoelina hatrany i Zafimahaleo Rasolofondraosolo na Dama mahaleo. Ny tenany izay fantatra eo amin’ny tontolon’ny zava-kanto mitondra hafatra ho an’ny firenena, ary efa nisehatra tamin’ny politika satria efa solombavambahoakan’I Madagasikara. Nanambara ny tenany omaly taorian’ny fahatafapetrahan’ny taratasy firotsahan-kofidian’I Tahina Razafinjoelina, fa zontsika Malagasy ny mahafantatra ny zava-misy eto. “Ny zanaka malagasy dia mila mahafantatra an’i Madagasikara, mahafantatra ny ranomasina. Sekoly no anisan’ny fototra ngezabe hanorenana firenena”, hoy i Dama. Mila mahafantatra an’i Madagasikara sy ny zava-misy eto ny zanaka malagasy fa manjary ny vahiny no mahafantatra dia izy no mitrandraka. Fa toa misy manakana anefa ilay izy, raha ny nambarany. “Nahita vina mifanaraka amin’ny ny azy ny tarika Mahaleo dia ny an’ny FTT izay manolotra an’i Tahina Razafinjoelina ho kandida Filoham-pirenena. Io no hitanay fa mety, nanontaniako i Bekoto dia hoy izy hoe io no antsika. Manohana ny Vinan’ny FTT izahay”, hoy hatrany I Dama omaly tetsy amin’ny HCC Ambohidahy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap