ary mazava tsara ny hafatry ny filoha nasionaly Tahina Razafinjoelina tany Toamasina ny faran'ny herinandro teo : ny tanora no lakile, ny tanora no fanalahidin'ny fampandrosoana hoy izy. Mila mijoro sy mandray andraikitra ary tonga mifidy ny tanora amin'ny 29 mey ho avy io, amin'ny fifidianana solombavambahoaka, hoy izy. Tena diso ilay fiheverana hoe na mifidy izahay na tsy mifidy dia efa ry zareo ihany no ho lany eo.Aleo tsy manao an'izany fa tonga foana manefa ny adidy amin'ny maha olom-pirenena.Rehefa maro be no tonga mifidy isika dia sarotra ny mangala-bato, ho an'ireo mpanao an'izany hoy i Tahina Razafinjoelina.Fantany tsara ny zavatra resahany satria mampianatra mpikaroka, mampianatra ny taranja matematika sy informatika efa ho 20 taona izao ny tenany. Azo atao tsara ny manova, araka ilay teny filamatry ny Kôlekitifa an'ny Malagasy misy ny FTT ka atomboka amin'io fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey 2024 io izany. Tsy mety ny kivy fa aleo mijoro hatrany isika, mandray andraikitra ary mifanohana hoy ny filoha nasionalin'ny FTT.
Nangonin'i RTT
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,