filohan’ny antoko politika Tia tanindrazana, Tahina Razafinjoelina. Lasa any amin’ny fitsikerana ny fanoherana satria maro ny zavatra tsy mandeha kosa, hoy izy. Izaho Tahina Razafinjoelina dia efa nanolotra vahaolana. Tsy zavatra mivelatra be fa ataovy isan-tokantrano satria amin’izay raha sanatria hoe misy tapaka ny «transport d’energie» na famatsiana angovo dia mandeha foana ihany ny isan-tokantrano. Amin’izay ny JIRAMA afaka mifantoka amin’ny indostria.Tsy jiro manazava isan-tokantrano fotsiny no ilaina fa herinaratra ahafahan’ny olona miasa sy mivelatra. Misy tokoa ny olona mivarotra io jiro avy amin’ny herin’ny masoandro, tena efa natolotra ny adiresy ny sy ny toerana misy ilay mpamatsy na «fournisseurs». Mividy tsikelikely ianao dia mijanona ho anao ny fitaovana rehefa avy eo. Azo soloina sy hatsaraina izay misy tsy mety na fahasimbana. Ny oniversite tantanan’ny tenanay na ITU izao dia efa manana herinaratra avy amin’ny masoandro 140.000W. Amin’izay ihany koa manolotra asa ho an’ireo tekinisianina malagasy hanamboatra ireo «transformateurs» na fantsona fa tsy voatery hanafatra avy any ivelany. Misy zavatra efa simba eto, hoy ny Filohan’ny Antoko Tia Tanindrazana Tahina Razafinjoelina raha nivahiny tao amin’ny Radio Antsiva omaly. Ny mpitondra mila mahalala ny «forces» na tanjaka sy «faiblesses» na fahalemena. Mandeha miankandrefana izao ianao. Any tany tena mamokatra vary, katsaka, vao tonga Tsiroanomandidy anefa ianao dia potika ny lalana. Tsy mandry fahalemana ny tany, manjaka ny dahalo. Izahay efa nanoratra izany ao anatin’ny vinan’ny Tia tanindrazana. Tsinjarao ny vola sy ny fitaovana amin’izay afaka miasa tsara ny zandary fa tsy hoe vao antsoina dia ny valiny hoe tsy manana fiara izahay, misy fiara fa mila solika. Tsy tokony avangongo ny vola. Tsy minisitra iray no mahalala ny mety ho an’ny faritra rehetra.
TSY TOERANA NO TADIAVINAY FA FANDROSOANA
Nanampy tamin’izay kely vitako tamin’ny TIM aho ary pro TIM aho. Tsy afenina izany. Nisy zavatra vita tamin’ireny fa nisy moa ny tsy mety ihany koa dia aleo ny tantara no hitsara. Ny zavatra izay natolotray, natolotry ny antoko fa tsy Tahina Razafinjoelina tena ho an’ny tanindrazana. Aleo mba izany no atao. Tsy mety ilay fanompoana olona. Vina sy fandaharan’asa mampandroso no ilaintsika. Tsy olombelona atao Superman no manavotra fa asa ao anatin’ny fandaharan’asa niainga tamina foto-kevitra mazava tsara. Tsy olona no tsy tianay fa fampandrosoana no tadiavinay. Mibanjina ny hoavy foana isika. 2010 no niforona ny antoko Tia tanindrazana. Raha nanampy ny TIM izahay dia antoko manohana antoko. Tsy toerana no tadiavinay fa ataovy ny asa. Manao inona izao ireo governora mba mody notsipazana 10 miliara Ariary? Kely izany raha miresaka fampandrosoana faritra. 8000 miliara Ariary ny tetibolam-panjakana ao anatin’ny 1 taona. Inona no iantsoantsoana an’i Prezida hoe jereo izahay fa atao inona izany ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ireo? Izahay dia manana ny asanay mahavelona anay fa fanasoavana ny tanindrazana no antony anaovanay politika. Isaorana ireo nandray anjara tamin’ny fifidianana. Tsy misy hoe resy izany fa mandray lesona dia miezaka foana. Ny lasa momba ny lasa !
TENA MAHAY NY MALAGASY FA TSY HOMENA LANJA
Ny reniko narary, notsaboina teny amin’ny HOMI tamin’ny 2010. Ny anay fiainanay mihitsy ny hoe mianatra eto dia miasa eto fa maninona no hoe tsy maintsy mankany an-dafy isika no mianatra sy mitsabo tena! Maro be no mahavita fikarohana eny amin’ny oniversite Ankatso eny. Tsara ny antsika. Tiavo ny anao! Omeo 1/10-n’ilay vola lany hividianana vary safiotra any Chine io ny mpampianatra sy ny mpikaroka malagasy dia ho hita eo. Ao Maorisy, ny malagasy no mafy amin’ny matematika sy informatika, efa miparitaka hatrany Kanada. Tsy manome lanja ireo manam-pahaizana isika, hany ka lasan’ny olona any ivelany izy. Mitodiha amin’ireo manam-pahaizana malagasy! Izahay ao amin’ny antoko Tia Tanindrazana dia manome lanja ny fanabeazana sy ny manam-pahaizana. Tsy mbola nisy vahaolana tao anaty hakiviana izany. Faly vao tafita fa tsy tafita vao faly. Tsoahy mihitsy aloha ny fahasorenana fa lasa mahatonga antsika hisaratsaraka fa tsy mandroso. Tsy mijanona amin’ny hoe tsy mety izahay fa mandroso vahaolana hoe fa maninona raha izao indray no atao? Tadidio, tohamboivoy betsaka mira mitombo ny vola vahiny mivoaka ividianana solika avy any ivelany. Tsara ireny fanafoanana ny fitohanana ireny ho an’ny malagasy fa tsy hoe natao mba handraisana vahiny fotsiny. Izahay ao amin’ny antoko Tia Tanindrazana dia manana vina, misy fitsipika mifehy fa tsy hoe resa-pianakaviana. Midira isika antoko politika, fantaro, takio ny vinany, inona ny programan’asany fa tsy hoe hanompo olona fotsiny, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,