airtel

Politique

26-sept-2023

Tahina Razafinjoelina tao Vakinankaratra

“Tsy maintsy mamokatra isika, mendrika hotohanana ny tantsaha”

Sample post image

Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.

26-sept-2023

Nanombohany izany ny tao amin’ny distrikan’ Ambatolampy izay nametrahana ny Foiben-toeran’ny Firaisakinan’ny Tia tanindrazana na FTT. Ao amin’ny fokontany Andafiatsimo akaikin’ny kaominina Ambatolampy no misy izany. Nandritra io fotoana io no nanararoatan’ireo mponina tao an-toerana sy ireo mpanara-dia ny FTT nitafa tamin’ny kandida izay tohanan’izy ireo. Liana tamin’ny fanazavana nentina ireo olona tonga tao ary niaky tokoa fa tsy ho ela intsony ny fandrosoan’ny firenena raha toa ka ireo vina izay entin’ny FTT no ho lasitry ny fampandrosoana. Tena nahaliana ireo mponina tao Ambatolampy ohatra ny fanazavana momban’ny Fanapariahana ny volam-panjakana. Saika tsy nino izy ireo raha nilazan’ny kandida laharana voalohany, fa mahatratra 32 miliara ariary isan’andro ny vola laninan’ny Fanjakana raha ny tetibola tamin’ity taona ity. Nakaiza daholo hoy izy ireo izany vola be izany no tsy tonga any amin’ny vahoaka ? Inona ihany koa no asa vita tamin’ny nampiasana izany vola izany. Nampanantena I Tahina Razafinjoelina fa rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy dia hampihatra izany Vina fanapariaham-bolam-panjakana izany ary ny kaominina no omena njara betsaka amin’ny fitantanana sy hamaritra izay ampiasana ny vola.

“FANTATRO NY OLAN’NY TANTSAHA, MILA TOHANANA NY FAMOKARANA”
Tao Betafo distrikan’Antsirabe II, ny sehatry ny fambolena no tena anto-piveloman’ny mponina ao amin’ity kaominina ity ka dia niompana tamin’izany indray ny tafa. Ny sehatra voalohany isan’ny nahazoany traikefa teo amin'ny fiainana dia fandraharahana ny vary, ary efa niainako ny olan'ny tantsaha, hoy ny kandida laharana voalohany. “Vao 14 taona monja aho dia efa nandraharaha teo amin’ny sehatry ny vary tany amin’ny faritr’Antsohihy sy Tsiroanomandidy. Sady nandray an-tanana ny fanangonana ny vary no mikarakara ny famoahana azy any amin’ny mpamongady,… Tsy handroso mihitsy isika raha mbola manafatra foana tahaka izao”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Tsy maintsy mamokatra isika noho izany. Ny tantsaha no mendrika hotohanana voalohany ahafahany mampivelatra ny asa famokarana atao. 85%-n'ny Malagasy no tantsaha, mbola sahirana ara-tsakafo anefa isika, mbola manafatra vary efa ho 750 000 taonina i Madagasikara ny taona 2022, nitombo 18% raha oharina ny tamin’ny taona teo aloha io. Mbola manana tany azo volena mirefy 8 tapitrisa hektara anefa i Madagasikara, fa saingy noho ireo olana maro samihafa dia tsy voajary. Raha ireo no hambolena anefa araka ny tokony ho izy dia tsy ho lanin’ny Malagasy ny vokatra eto Miha mitombo isa hatrany ireo tantsaha mahatsapa fa mety ilay Vinan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana tarihin’i Tahina Razafinjoelina ny amin’ny hanitarana ny toeram-pambolena sy hanampiana ny tantsaha amin’ny resaka teknikam-pambolena, msomboly, zezika mety amin’ny tany misy eto Madagasikara ary fikarohana lalam-barotra. Ny tantsaha no tokony manankarena noho ny mpanjifa, ary azo atao tsara ny mieritreritra hamatsy ny tsena any ivelany rehefa ampy ny vokatra ho an’ny fanjifana eto anatiny, raha ny vinan’ny FTT. Tsy kobaka am-bava no tadiavinay fa olona tena mahavita azy, hoy ireo tantsaha ary tena mahaliana anay ny Vina entin’i Tahina Razafinjoelina. Mba ahatatanteraka izany dia mila fanofanana ireo tantsaha ary hamoraina ihany koa ny ahafahan’izy ireo mahazo fampindramam-bola avy amin’ny banky, halefahana ihany koa ny tahan’ny zana-bola izay mampihemotra ny mpandraharaha tsy hifanaraka amin’ireo banky izay misy eto amintsika. Io andron’ny alahady io ihany koa no nitokanana ny Foiben-toeran’ny FTT ao Betafo ary nametrahana ireo solosaina hanomezana fampiofanana ireo tanora.

RESY LAHATRA NY VAHOAKAN’AMBOHIMIARIVO
Namaranana ny dia ny tao amin’ny kaominina Ambohimiarivo distrikan’Antsirabe Faharoa ihany ka tao amin’ny kianjaben’ny fokotany Betsiolany no nihaonan’ny kandida Tahiana Razafinjoelina tamin’ireo vahaoaka tao. Io tolakandron’ny alahady faha 24 septembre io rahateo moa no nanaovana ny famaranana ny lalao baolina kitra tao amin’ity kaominina ity ka dia nampivoaka ho mpandresy ny ekipan’ny Royale Family izay avy ao amin’ny fokotany ihany. Ny FTT rahateo no nikarakara izao fifaninana izao ka dia Atoa Tahina Razafinjoelina mihitsy no nanolotra ny amboara hoan’ireo ekipa 3 voalohany. Samy nahazo anjara ihany koa ireo ekipa rehetra izay nandray anjara. Mahafantatra tsara ity kandida ity ireo mponina ao Ambohimiarivo sy ny manodidina koa dia nitso-drano sahady izy ireo ary nampanantena sahady fa hanohana hatramin’ny farany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap