Efa niresaka tamin'ny vady aman-janaka ka raha misy ny sanatria sanatria, ny ratsy indrindra dia mihatra aman'aina, ny antonontoniny miditra am-ponja, ary ny tsara indrindra dia ho banky tanteraka ireo asa aman-draharaha iandraketan'ny tena,... Ady ho an'ny Firenena ity, ka tsy tokony hatahotra satria io tahotra io no rivotra alefa amin'izao. Ampitahorina isika, misy tsaho mandeha ohatra hoe: misy basy efa vonona any ho any, misy kommando,... Ny ao ambadik'ireny dia tokana ihany hoentina manao fandemen-tsaina hoe: na inona na inona safidinareo, dia miomana fa handresy izahay, ka izay no ivoahan'ilay tahotra, hoy ny Kandidan'ny Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana Tahina Razafinjoelina. Izay no mahatonga ny olona mifidy fa hoe efa fantatra ny valiny ka "tsia" ka tsy tokony ho resin'ireny, hoy hatrany izy. Naneho moa ny tenany fa tsy maintsy miomana amin'ny zavatra rehetra, anatin'ireo kandida nanasonia ahafahana mahazo izay fomba tsara indrindra ahafahana mitantana ny fifidianana, izay tsy midika hoe lanitra. Aminy rahateo raha hidina andalam-be mety faty olona satria tsy hanaiky ny ankilany, haka fahefana ara-miaramila mety ho krizy sy ady ady an-trano,... Tsy maintsy miomana ihany koa satria raha nandeha ny resaka zom-pirenena dia nodiana fanina, ny taratasy milaza fa tsy afaka mandray fitondrana ny Filohan'ny Antenimierandoholona mbola tsy hitantsika hatramin'izao,... Ny lalampanorenana anefa milaza fa matoa tsy afaka mandray dia na manana tsy fahasalamana ara-batana na ara-tsaina. Tsy maintsy miomana satria misy solontenana kandida sasany miteny fa ny azy "1er tour" ka maheno izany ilay olona dia vao mainka tsy mifidy, tsy mandray ny andraikiny, fa ny fahakiviana ve efa tonga tamina fandrosoana? hoy i Tahina Razafinjoelina. Nanamafy izy noho izany fa mila vonona amin'ny lafiny rehetra, tsy tokony hanaiky ho resin'ny ratsy sy ny fandemen-tsaina fa mila fiaraha-mientana ho an'ny Firenena, araka ilay hoe: miara-dia vao mandresy fa tsy mandresy vao miara-dia. Toky R
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny