Noho ny fitsimbadihan'ny vokam-pifidianana navoakan'ny CENI ny alakamisy lasa teo amin'ny vokatra navoakan'ny SRMV sy ny vokatra voahangonay tamin'ny alalan'ny fitanana an-tsoratra na PV, dia takian’izy ireo ny : hisian'ny fanazavana ny amin'ny nahafahan'ny CENI nanova ny voka-pifidianana teto amin'ny kaominina Talata Volonondry sy ireo andinin-dalàna nahafahany nanao izany ; ny famerenana ny fanisam-bato eo anivon'ny fitsarana miady amin'ny fanjakana hahafahana mamoaka ny vokatra tena izy. Ampatsiahivina fa mitovy ny vokatra navoakan'ny SRMV sy ny CEC ary ny PV eto am-pelatananay izay samy manaporofo ny fandresen'ny kandida natolotry ny Tiako I Madagasikara : Rakotondrazaka Toky kanefa rehefa namoaka ny CENI dia lasa ny kandidan'ny IRMAR indray no mitarika. Efa tafapetraka ny fiarovan-tena sy ny fametrahana fitoriana tamin'ireo tsy fanarahan-dalàna marobe nataon'ny kandida mpifanandrina ka miantso sy mahatoky ny fitsarana mahefa izahay hanao ny asany am-pahamarinana mba ivoahan'ny marina sy hampanjaka ny tena safidim-bahoaka , hoy ny fanambarana. Hahazo rariny eo anatrehan’ny amboletra sy tery vay manta ve ny kandida ao Talatan’i Volonondry sy ny vahoaka naneho ny safidiny ? Ity kaominina ity izay toerana hanombohan’ilay tetikasan’ny fitondrana dia ny « autoroute » kanefa olona avy amin’ny fanoherana no nofidian’ny vahoaka ka natsimbadika ny vokatra ?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,