Tao anatin’ny filankevitry ny minisitra afak’omaly 12 janoary 2023, isan’ny noraisina ny didim-panjakana nanafoana didim-panjakana laharana 2021-562 tamin’ny 19 may 2022, ary manendry Tale Jeneraly vaovaon’ny Fandrosoana lovain-jafy eo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Ho fanajana ilay olona dia tsy hosoratana eto ilay tompon’andraikitra vaovao, fa kosa nisy ny raharaham-pitantanana tsy nilamina nahasaringotra azy io, fony izy Tale Jeneralin’ny Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny siramamy (CMCS) ka izay nipongatra taorian’ny fanendrena azy amin’ny andraikitra ambony vaovao. Nisy fitoriana azy nataon’ny teo anivon’ny amin’ny Minisiteran’ny indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina amin’ny Fanjakana, araka ny taratasy tamin’ny 19 novambra 2018. Tompon’andraikitra roa hafa no niaraka voatory taminy, ka ny azy dia resaka vola niditra izay niteraka fahadisoana momba ny fitantanana ka nanalana taminy CMCS amin’ny maha mpanalalana azy. Nosaziana handoa lamandy mitentina 2,8 tapitrisa noho ny fanaovana sy fahadisoam-pitantanana, araka ny fitsarana tsy ampahibemaso tamin’ny 22 oktobra 2019.
Toky R
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny