airtel

Politique

09-oct-2023

Taorian’ny fandatsahan-drà sy habibiana

Mitohy ny tolona, tsy manaiky ho resin’ny ratsy…

Sample post image

Fisamborana, herisetra, fitifirana tsy roa aman-tany, fanenjehana, fandatsahan-drà,… ireo no nisongadina ny sabotsy 07 oktobra teo ho an’ny lafiny politika.

09-oct-2023

Andro fahadimy tamin’ny tolona tarihin’ny Firaisankinan’ny kandida io, izay diabe am-pilaminana hatrany no nanehoana azy ary vahoaka sesehena no nandray anjara saingy nandeha indray ny fandatsahan-drà sy habibiana tsy an-kitsitsy na ny mpitarika na ny vahoaka. Nandeha ny fisamborana olona nialohan’ny fotoana, nalaina ny fiara sy ny zava-maneno nanaovana fanentanana, izay nanaovana barofo mihitsy ny fanalahidin’ny fiara. Tsy nampihemotra ny kandida sy ny vahoaka izany, fa raikitra ny diabe niazo an’Antanimena manoloana ny Cheminot iny, ary nihemotra hatrany ireo mpitandro filaminana. Tao anatin’ny diabe nifanandrify ny Total Antanimena no nirarakopana ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny grenady. Nandritra ny adin’ny iray sasany ny baomba mandatsa-dranomaso, hatrany anelekelan-trano ny fanenjehana. Hatramin’ny mpaninjara solika teo Antanimena niantefan’ny lakrimozenina nirarakopana nentina namelezana ireo olona saingy soa ihany fa tsy nirehitra fa sainga zava-doza tanteraka. Betsaka no nanamarika toy ny depiote Fetra, fa tsy baomba mandatsa-dranomaso fotsiny no nampiasaina, fa niasa hatrany ny basy misy bala fingotra, ary misy “grenade assourdissante”, hany ka hatramin’ny vehivavy bevohoka tsy manan-tsiny voalaza fa tsy tao anatin’ny mpanao fihetsiketsehana aza tena rotidrotiky ny ratra ny tarehiny, ny vatany ny nonony,… izay manamafy fa tena habibiana tsy roa aman-tany no natao ny vahoaka. Tsy ankitsitsy, ary tsy tafiditra intsony ao anatin’ilay hoe: “gestion democratique de la foule” fa tena famonoana sy fandratrana satria maro ireo lasibatra. Ho an’ny mpitarika dia naratra teo amin’ny tongony sy ny sandriny kandida Marc Ravalomanana ary nisy mpanao gazety iray ihany koa nisy fahavoazana roa teo amin’ny tongony, ary voa ihany koa ny depiote Fetra Ralambozafimbololona voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo. “Io ny pitik'ilay grenady niditra tao amin'ny feko, nandrovitra ilay pataloha Jeans. Mitovy amin'io ihany koa ny nahavoa an'ny Kandida Marc Ravalomanana sy ny mpiambina azy, ary ireo olona hafa. Fanahy iniana notifirina sy nalefa teo afovoan'ireo vahoaka ilay izy mba handratràna”, hoy ny depiote Fetra. Nisy tamin’ireo kandida moa no naharay ny fiara mpitondra azy, nisy ny nitsoaka nisaoty tambohon’olona, tao ny niporitsaka tany anelakelan-trano,… saingy mbola narahin’ny mpitandro filaminana. “Kandida miisa 2 no naratra tao anatin’ny herinandro, izahay tsy niala mihitsy, tsy nisy atody vaky na iray aza tamin’ny hetsika am-pilaminana. Horaisin’ny kandida an-tànana ny fitsaboana ireo nahantra”, hoy ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko. Sambany teo amin’ny tantara no nisy tolona sy hetsi-bahoaka, ka Filoham-panjakana roa dia Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Rivo Rakotovao no noratraina, raha toa ka tamin’ny andro voalohany no voa teo amin’ny tetamasony ny kandida Andry Raobelina ary teo amin’ny tànany ny kandida Tahina Razafinjoelina.
EFA TENA HABIBIANA, TSY MIHEMOTRA, EFA NASIONALY NY TOLONA
Sambany nanatrika ny hetsika moa ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa ny sabotsy teo, saingy io no isan’ny nitsena azy. Nanamafy izy ireo fa tsy nisy herisetra, tsy mbola nisy trano vaky, tsy nisy olana,… kanefa dia herisetra no setriny. Mitohy ny tolona, mitohy ny ady hisian’ny fifidianana madio. «Tsy hihemotra ny "Collectif des candidats", tapaka tanteraka ny fifampitokisana amin'ity Governemanta tsy ara-dalàna, mitanila ary jiolahimboto ity”, hoy ny kandida Hajo Andrianainarivelo. Ny fifidianana 3 farany teo no ratsy indrindra, ary efa vonona ny hala-bato amin’izao, hoy ny kandida Roland Ratsiraka. Tsy misy ihany koa ny hoe: kandida hiala an-daharana, fa ny tsy eo dia noho ny antony ara-pahasalamana no tsy maha eo ny sasany. Efa nivadika nasionaly tanteraka ny tolona amin’izao satria ny faran’ny herinandro teo izao dia nihetsika ny tao Toliara, nihetsika ny tany Mahanjanga, ary hihetsika ihany koa ny tanàn-dehibe toa ny ao Mananara Avaratra, Antsirabe,… ho an’ny anio. Ho an’ny eto Antananarivo, hiainga eny Itaosy indray ny anio.
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap