airtel

Politique

16-sept-2022

Politique

Taorian’ny SEG Nampitandrina ihany koa ny Minisitry ny fiarovana

Sample post image

Namory ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny tafika ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Léon Richard ny andron’ny omaly.

16-sept-2022

Antony ny lafiny ara-pandriampahalemana, izay mila hamafisina eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Teo ihany koa anefa ny teny hentitra sy fampitandremana eo anatrehan’ny ambarany fa mety ho fikasana hanao asa fanakorontanana amin’ny endriny samihafa, araka ny notaterin’ny fahitalavi-pirenena. Misy lanjany goavana ara-politika izany, ary toa manao tohivakana amin’ny fanambarana efa nataon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny herinandro lasa teo, fa tsy hanaiky fanonganam-panjakana ny zandarimariam-pirenena satria efa betsaka ny rà mandriaka teto noho ny politika. Fifandrifian-javatra ihany ve ny fanambarana na toromarika miainga avy amin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny mpitandro filaminana. Misy tsindry politika goavana mitatao ve ka mahatonga ny Mpitondra ankehitriny hampiteny azy ireo? Ny mpanohitra hatrany amin’ny ankampobeny no iantefan’ny hafatra sy ny fampitandremana amin’ny hoe: tsy manaiky asa fanakorontanana, mahandrasa fifidianana ara-demokratika,… Rehefa mijery ny raharaha “Apollo 21” izay nambara fa fikasana hifofo ny ain’ny Filoha anefa, tsy nisy na olona iray aza avy amin’ireo nitonona ho mpanohitra izao fitondrana izao, fa olona akaiky sy mpiara-miasa amin’ny Filoham-pirenena aza. Nandeha ny raharaha fakana sary ny valizin’ny filoham-pirenena izay nolazaina fa tena tetika avo lenta hifofoana ny ain’ny filoha sy ny fianankaviany, dia olona akaiky azy, mpamiliny no voalaza no naka ny sary ary nampifandraisina amin’ny hoe: ny mpanohitra no ambadika saingy tsy misy mpanohitra nosamborina na iray aza,… Manana loharanom-baovao sy sampam-pitsikolovana matanjaka azony ampiasaina tsar any Fanjakana sy ny mpitandro filaminana traha misy tokoa ny fikotrehana asa fanakorontanana sy fanonganam-panjakana. Misy loharanom-baovao ve fa tena misy fokotrehana fanonganam-panjakana? Nahoana no tsy misy fanenjehana na fisamborana kanefa zava-doza tsy fampiseho masoandro ary loza mitatao ho an’ny firenena izany? Zava-dehibe ary tena ilaina ny fivoriana sy ny dinika ara-miaramila momba ny fandriampahalemana, fa somary hafahafa sy tsy tongatonga ho azy ny fanambarana miendrika na misy misy ampahany politika ataon’ireo manamboninahitra ambony. Na tsindry bokotra sy don-tandroka ho fampitandremana amin’ny mety ho fikitikitihina ny fitondrana, na fampiomanana sahady amin’ny aoriana toy ny raharaham-pifidianana mafana, na ny Fitondrana mihitsy no efa mahatsiaro ho azo amoron-tevana ka mampiteny ny manam-basy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap
08-mai-2024

Nisokatra ofisialy omaly 07 mey 2024 ny fivoriana ara-potoanan’ireo andrim-panjakana

Card image cap
08-mai-2024

Tena tandidonin-doza ny boriborintany faha 4 satria Jiolahimboto no mibaiko ny sefo distrika sy ny prefe,

Card image cap
07-mai-2024

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

Card image cap
07-mai-2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

Card image cap
07-mai-2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

Card image cap