Mitana ny lohalaharana amin’io ny Minisiteran’ny toekerana sy ny vola izay 2 276 miliara mahery, minisiteran’ny fanabeazana 1 736 miliara mahery, Minisiteran’ny asa vaventy 1 721, Minisiteran’ny fahasalamana 1 194 miliara Ar,… Aty amin’ny laharana fahadimy kosa ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana izay 863 miliara Ar, raha toa ka ny Minisiteran’ny Atitany no laharana fahaenina manana tetibola 840 miliara Ar mahery. Somary efa taratry ny fiomanana amin’ny 2023 ihany satria ny fampianarana sy ny fanabeazana ary ny fahasalamana dia mahenika ny Nosy. Ny resaka fotodrafitrasa efa fomba fiady hatrizay ny filalaovana an’io, ny resaka fambolena sy ny fiompiana toa hanaovana pi-maso ihany na tsy tena omena toerana tokony hisy azy aza, kanefa any no tena fanalahidy. Na izany aza, somary miavaka ary betsaka kokoa ny sora-bola hoenti-miasa. Raha miverina kely amin’ny taona 2022 anefa, notaterin’ny Firaisamonim-pirenena fa 38% ny «engagement budgètaire » izany hoe : ny vola voafaritra fa lany sy holaina hatramin’ny volana janoary-jona 2022. Nilaza kosa ny mpahay toekarena Serge Zafimahova tamin’ny fahitalavitra iray fa zara raha misy 35% ny tahan’ny fandaniam-bolam-panjakana ary misy milaza aza any amin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny vola tafidina hatrany amin’ny 22% aza tamin’ity taona ity, hoy ny fanamarihany. Antony ny fanakatonana tamin’ny 12 oktobra 2022 noho ny « note circulaire » N°99, izay mifanipaka tanteraka amin’ny fanjakana tsara tantana sy ny fitantanana volam-panjakana. Tsy maintsy mandalo parlemanta izany, kanefa tonga dia nalefan’izy ireo, izay tena mamoafady amin’ny resaka fitantanana volam-panjakana, mandika ny lalàna 2004-007 tamin’ny 26 jolay 2022 mikasika ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny lalàna laharana 2005-003 mikasika ny fitsipika ankampobeny momba fandaniana ny volam-panjakana. Ambony ny sora-bola soratan’ny Fanjakana ao anatin’ny volavolan-dlàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2023 izay inoana fa tsy hiova firy, kanefa ny fandaniana sy fampiasana azy aza izany ho an’ny taona 2022 dia zara raha 35% ny famoaham-bola, kanefa ambany lavitra noho ny 2023. Raha nolazaina anefa fa nandalo krizy ny 2020 sy ny 2021, dia nampanantenaina ny 2022 fa ho taonan’ny asa dia io no niafarany aty amin’ny faran’ny taona. Akaiky ny fifidianana, ka hanao be famaritra, hanao an’izao sy izao indray, hanao fampanantenana mirarakopana, saingy ahiana tsy hisy fiovana firy ny fomba fiasa tsy mirindra sy saritsarim- pitantanana fanao. Azo lazaina ho ambony mitaha amin’ny hita hatrizay ity 3,6 miliara dolara ity, saingy tena hanana sy hahita an’izany ve ny Fanjakana? Ny fandaniam-bolantsika na “capacité d’absorption” raha ny kajikajy efa nataon’ny mpamatsy vola dia manodidina ny 500 tapitrisa dolara isan-taona, ka antony maha hiviny hatrany ny famatsiam-bola. Marina fa resahina ny ezaka fampidiran-ketra izay tombanana hampiditra 4786 miliara Ar, ny ladoany tombanana hampiditra 4236 miliara Ar, saingy mbola any an-kibon’ny omby izany. Mbola ambany mitaha amin’ny fandaniam-bola ny vola miditra, raha ny zava-nisy hatrizay. Tena azo antenaina ve ny hisian’ny famatsiam-bola goavana sy fitosahan’ny fampiasam-bola eo anatrehan’ny tsy fahamarinan-toerana miseho amin’ny endriny maro na ara-politika, diplaomasia, jeopolitika,…
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,