Manao fanadihadiana sy fakan-kevitra amin’ireo ankolafin-kery samihafa eto anivon’ny firenena mantsy ireo iraky ny SADC (Southern African Development Community). Tsy tongatonga ho azy izany, fa tena misy dikany sy lanjany goavana ara-politika. Tsy marin-toerana rahateo ny toe-draharaha eto amin’izao herintaona mialohan’ny fifidianana izao. Na manana ny fiandrianany araka ny resahana foana aza isika, matetika miditra an-tsehatra ireo antanan-tohatry ny rafitra iraisam-pirenena ikambanantsika rehefa misy toe-draharaha mafampana indrindra fa ara-politika. Na lazaina fa tsy misy krizy aza eto, tena ahiana ny rombo ara-politika, raha tsy misy fepetra sy fandaminana raisina. Izay no heverina fa mampiditra an-tsehatra ny sehatra iraisam-pirenena tahaka izao, ary efa fahita foana ny tahaka izao, raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ny raharaha 2021-2022, ny raharaha 2009,… Etsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina no mandray ireo ankolafin-kery samihafa ny iraky ny SADC ka ho an’ny omaly, dia ny solontenan’ny mpanohitra no isan’ny voalaza fa noraisina teny an-toerana. Andrasana ny tohiny sy ny tatitra mazava mikasika ity fidirana an-tsehatry ny SADC ity.
Toky R
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,