airtel

Politique

02-févr-2022

Politique

Toe-draharaha politika miha mamay Nahetsika hiaro ny fitondrana i Rossy

Sample post image

Omaly, nanadritra ny fizarana fanampiana ho an’ ireo mponina avy amin’ny fokontany miisa 33 ao amin’ny boriboritany faha 4 manoloana ny tranga nateraky ny toetr’andro farany teo sy ho fiomanana sahady manoloana ny

02-févr-2022

 rivodoza izay ho avy no nanararaotra niresaka politika ka naneho ny heviny ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy. Aza mifabarabara isika hoy izy mantsy ny mpanohitra fa izahay, ny tenako aza dia nitolona an-kianja mba nahafahan-dRavalomanana ho kandida tamin’ny fifidianana farany teo.Aoka ihany koa tsy araraotina sy avadika ho politika ny fahasahiranam-bahoaka misy amin’izao fotoana hoy ity olomboafidy Mapar teny amin’ny boriboritany faha 4 ity ka vao misy zavatra kely dia hoe tsy mahay, tsy mahavita azy ny fitondrana.Elaela tsy re feo ny depiote Rossy dia izao nipoitra izao indray ; heverina fa tsy tongatonga ho azy izany fa efa nomanina mihitsy satria miha mahery vaika ny fanakianana mahazo ny fitondrana Rajoelina, ary ireo olom-boafidy na olom-boatendry miezaka ny manazava sy miaro ny fitondrana dia tsy maharesy lahatra firy ny olona intsony. Ny antony dia satria nitombo ny fahasahiranana tato anatin’ny 3 taona nitantanan’i Andry Rajoelina ny firenena, ka na hiresaka hoe andro ratsy sy valanaretina aza ny fitondram-panjakana hiarovan-tena dia efa tsy mino, tsy mahatoky intsony ny maro.Zavatra tsy tokony hahagaga izany na hampisendoatra ny olon’ny fitondrana satria be loatra ny fampanofisana sy fampanantenana nandritra ny propagandy, dia tao ireo nihevitra hoe tena hanao fahagagana mihitsy izany ity kandida laharana faha 13 ity raha vao mahaz fahefana eo. Inona akory ny teo fa fitomboan’ny fahasahiranana no tena nisy. Tokantrano an-jatony maro moa no nisitraka ny fanomezana, izay nahitana vary miisa 50 kitapo, siramamy 2 kitapo, menaka 10 boritra, labozia 50 fonosana ary tsaramaso 5 kitapo. Tazana teny Mahamasina omaly ankoatra ny depiote Rossy ny minisitry ny fitaterana Tinoka Robero sy ny governoran’Analamanga Hery Rasoamaromaka.
RTT
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap