airtel

Politique

26-sept-2023

Toe-draharaha politika sy fifidianana

Ho avy eto ny iraky manokan’ny Firenena Mikambana

Sample post image

Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha

26-sept-2023

misy eto Madagasikara. Ao anatin’ny 8 andro ny faharetan’ny dian’izy ireo eto, manomboka ny 27 septambra hatramin’ny 04 oktobra ho avy izao, araka ny naoty navoakan’izy ireo ny 15 septambra. Hifantoka betsaka amin’ny fivoaran’ny fanomanana ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 09 novambra no anton-dian’izy ireo. Hitarika ny delegasionina ny Solontenan’ny Sekretera Jeneralin’ny Fivondronambe Afrikanina sy ny Lehiben’ny Birao ao anatin’ny Fivondronambe na ny “Chef de Bureau des Nations-Unies dans l’Organisation continentale”, raha ny tatitra. Manara-maso akaiky ny toe-draharaha sy ny antoka hisian’ny fifidianana milamina eto Madagasikara noho izany ny Firenena Mikambana. Ny toe-draharaha eto amintsika izay efa miakatra eo ambony latabatr’ireo rafitra samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena raha tarafina amin’ny fihaonana samihafa nifanaovan’ireo kandida sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary teo ihany koa ny azy ireo sy ny governemanta. Tao anatin’ny fihaonan’ireo Vondron’ny kandida sy ny Masoivohon’I Afrika Atsimo ihany koa nivoahan’ny tatitra amin’ny hampitana izany any amin’ny SADC. Samy miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ny rehetra fa raha ny sary miseho aloha dia mihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ireo kandida maro an’isa ankilany, ary ny kandida dia ny filoha teo aloha miaraka amin’ny governemanta andaniny. Mitsipaka hatrany ny firotsahan’ny filoha teo aloha ireo kandida maro an’isa noho ny tsy fanajana sy fanitsakitsahana ny lalàna sy lalàmpanorenana. Naneho ny tsy fahatokisany ny governemanta ka niampanga fa fanonganam-panjakana avy amin’ny andrim-panjakana na “coup d’Etat institutionnel” ny nataon’ny HCC sy ny governemanta tamin’ny fanomezana ny fahefana an’ireto farany izay ahiana ho tsikombakomba hanomezana tombondahiny kandida iray. Tahaka izany ihany koa ny fitakiana ny fanatsaharana ny fitanilana politika, ka hamelana ny hetsika politika ho fanomanana ny fifidianana ataon’ireo kandida, ny famelana malalaka ny fitaovana hiatrehana ny propagandy tahaka ny angidimby,… Samy miandry ny fivoarany ny rehetra satria nangataka fahazoan-dàlana hanao famoriam-bahoaka etsy amin’ny Palais des Sports Mahamasina ireo kandida 11 ny 29 septambra izao.

“Ahafahan’ny mpanao politika sy ny firaisamonim-pirenena tatitra. Hanao tatitra, hijery raha feno ny fepetra hanaovana ny fifidianana, izy rahateo no mitantana ny “basket fund”. Nisy ny fanaraha-maso tamin’ny fifidianana 2018, ary tamin’izany no nivoahan’ny hoe ravana ny HCC sy CENI ary miara-manangana rafitra, saingy tsy tanteraka. Tsy anjaran-dry zareo kosa no miteny fa mety na tsia ny hirosoana amin’ny fifidianana fa an’ny Malagasy izany”, hoy ny mpandinika politika Serge Zafimahova omaly tamin’ny fahitalavitra iray.

Toky R
 

Dans la même rubrique

14-nov-2024

ny zoma 29 novambra ho avy izao no voafaritra fa mety hanatanterahana ny adihevitra eo amin’ireo

Card image cap
14-nov-2024

Tsy nangina akory ny ARFM na Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy, hoy ny filohany,

Card image cap
14-nov-2024

Isaorako manokana ny raiamandreny jeneraly Ramakavelo Désiré tamin'ny fiantsoana fihavanana amin'ny samy

Card image cap
13-nov-2024

Eo anatrehan’ny zava-misy ankehitriny, indrindra, akatoky ny fifidianana ben’ny tanàna sy

Card image cap
13-nov-2024

Noresahina foana hatramin’izay ny tsy fananan’ny fitondràm-panjakàna politika ahafahana

Card image cap
13-nov-2024

Tsy manana vina mazava tsara ny fitondram-panjakàna ankehitriny,

Card image cap