dia diplaomaty fahatelo nihaonana sy nifanakalozan’ny kandidan’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na FTT hevitra ny Ambasadaoro Britanika eto miasa sy monina eto Madagasikara Atoa David Ashley. “Mitohy hatrany ny fihaonako amin'ireo masoivoho vahiny eto Madagasikara. Androany dia nifampidinika tamin'Andriamatoa David Ashley, Masoivohon'ny Royaume-Uni eto Madagasikara ny tenako. Noresahana nandritra izany ireo tsy fanarahan-dalàna maro be anatin'izao fikarakarana ny fifidianana izao sy ny tokony ampitoviana lenta ireo kandidà. Anisan'izany ny fampidirana angidim-by izay mbola tsy nahazoana valiny hatramin'izao. Notsindriko nandritra izany ihany koa fa tokony atao mangarahara ny fampiasana ny biletà tokana”, hoy I Tahina Razafinjoelina. Midika izany, fa mahalala tsara ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, izay miara-miasa sy mifanome tànana ihany koa amin’I Madagasikara eo amin’ny fiaraha-miasan’ny samy firenena sy iraisam-pirenena, ny mety ho fifanomezan-tànana amin’ny endriny samihafa,... Manana ny fiandrianantsika isika, fa betsaka ihany koa ny fiaraha-miasa sy fifamatorantsika amin’ny vahiny amin’ny politika, toekarena, jeopolitika, ka lojika ary fanao ny fifanakalozan-kevitra momba ny raharaham-pirenena sy toe-draharaha politika, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao.
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany