airtel

Politique

18-oct-2023

Toe-draharaham-pirenena

Ratsy toerana tanteraka ny governemanta

Sample post image

Mitombo hatrany ny tsy fahamarinan-toeran’ny governemanta ankehitriny.

18-oct-2023

Tsy mila Ntsay, tsy mila vazaha, miala Ntsay, Ntsay degage, hajao ny lal)mpanorenena… Ireo no isan’ny nitsenan’ny depiote miara-dia amin’ny Firaisankinan’ny kandida, raha vantany vao niditra ny Lapan’I Tsimbazaza ny Praiminisitra sady Lehiben’ny governemanta mpiara-mitantana ny firenena omaly, nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena omaly. Mihamafy noho izany ny tsindry ho an’ity governemanta ity taorian’ilay fahazoana ny fahefana hitondra ny firenena, kanefa efa tratry ny fitsipaham-pitokisana tamin’ny desambra 2022. Izy ireo izay tratry ny fiampangana ho mitanila amin’ny kandida Rajoelina amin’ny fifidianana, ka takian’ireo Vondron’ny kandida ny fanovana azy, ary mangotraka ny fiampangana ho nanongam-panjakana na nanao “coup d’Etat Institutionnel” izay nohamafisin’Atoa Herimanana Razafimahefa, raha raisina amin’ny taratasy napetrany tamin’ny HCC, saingy nihazakazahana ny fanonganana azy tsy ho Filohan’ny Antenimierandoholona. Nanatritra ny fotoana teny Tsimbazaza moa omaly ireo Masoivoho vahiny maro, izay mijery akaiky ny toe-draharaham-pirenena, ary nisy ny fivoriana niarahan’izy ireo tamin’ny mpikambana vitsivitsy ao anatin’ny governemanta teny Mahazoarivo taorian’izay. Masohivoho fito avy amin’ny firenena tandrefana nahitàna ny avy amin'ny Union européenne, Allemagne, Corée du sud, USA, France, Japon, Royaume-Uni, Suisse ary ny solotena avy amin'ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) no nanatrika izany. Midika fa mangotraka ny toe-draharaha, ary ireny niaraha-nahita ireny ny fanambaran’ny sehatra iraisam-pirenena eo anatrehan’ny herisetra, fitanilana, fiantsoana fifidianana madio,… Tsara ihany koa no manamarika fa voahorakoraka ihany koa ny Jeneraly Ravalomanana Richard izay vao avy napetraka ho Filohan’ny Antenimierandoholona tratry ny hoe: “oo! oo! oo! Nirarakopana ny fiarahana niventy sady fivelesana latabatra hoe: “tsy voavidy vola”. Miakatra hatrany ny maripana politika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap