airtel

Politique

04-juil-2024

Politique

Toerana filoha lefitra ao Tsimbazaza Hampipasaka ny Firaisankina ?

Sample post image

Efa mazava ny mety ho sary etsy Tsimbazaza amin’izay mety ho Filohan’ny Antenimiera vaovao

04-juil-2024

izay avy amin’ny volomboasary noho izy ireo manana ny maro an’isa. Mbola baraingo kosa ny hoe : iza no mety hahazo ilay Filoha lefitra mpanohitra izay voafaritry ny andininy faha-14 amin’ny lalàmpanorenana ? Io no mamaritra ny fifidianana izay ho lehiben’ny mpanohitra aorian’ny fahavitan’ny fifidianana, ka raha tsy misy ny marimaritra iraisana dia ny vondrona politika mpanohitra mahazo depiote betsaka indrindra no manendry izany. Misy ihany koa ny lalàna mifehy ny mpanohitra izay adihevitra be tao anatin’ny taom-piasan’ireo depiote farany teo, saingy tsy nety tafapetraka ilay filoha lefitra avy amin’ny mpanohitra. Raha ny lojika dia avy amin’ny vovonana Firaisankina io, saingy raha ny loharanom-baovao, dia tsy tena mbola tapaka io hoe : iza amin’ireo depiote 22 voafidy tamin’ny anaran’ny vovonana ? Anarana roa no voalaza hatreto fa mety hahazo io toerana io dia ny depiote Fetra Ralambozafimbololona izay efa nitarika ny Vondrona Parlemantera TIM farany teo sy ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko izay efa kandida Filoham-pirenena sy filoha mpiara-mitantana ity vovonana ity miaraka amin’i Marc Ravalomanana. Ny TIM no manana ny maro an’isa ao anatin’ny vovonana satria manana 16 ka mety ho adivarotra be ny mety hiakaran’i Siteny Randrianasoloniaiko eo amin’izay toerana filoha lefitra avy amin’ny mpanohitra izay, ary mety hiteraka fisarahana, raha ny feo mandeha. Lasa ho ady fiady entin’ny aty amin’ny fitondrana hampiadiana ny mpanohitra noho izany io raha tsy milamina ny fanoherana, izay efa vitsy an’isa ao amin’ity Antenimiera ity, indrindra eo anatrehan’ny fisian’ireo tsy miankina milaza fa manohana fitondrana. Mety hipasaka mialohan’ny fifidianana kaominaly ny Firaisankina ka mety tsy hiara-dàlana intsony ao anatin’ny fifidianana ben’ny tanàna, raha ny feo mivoaka amin’izao fotoana izao. Ho toy ny sary niseho teo amin’ny Collectif des candidats izay nifarana teo amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fitambarana ? Ny ampitso anefa no hamaritra ny ho fahamarinan’io na tsia satria tena miovaova be ny sary politika eto amintsika ka betsaka ireo zavatra mety tsy hampoizina mety hitranga.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2025

nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,

Card image cap
25-avril-2025

Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay

Card image cap
25-avril-2025

Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady

Card image cap
25-avril-2025

Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron

Card image cap
25-avril-2025

Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina

Card image cap
24-avril-2025

Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny

Card image cap