mpanohana ny kandida Andry Rajoelina, ny fanafoanana ny vaton’ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko tamina biraom-pifidianana sasany dia raikitra indray ny fanenjehana an’ity kandida filoham-pirenena teo aloha niverina ho kandida depiote ity ao amin’ny distrikan’i Toliara I ao. Nanao fanambarana iombonana ireo kandida miisa 4 nifaninana taminy fa nanitsakitsaka tanteraka ny lalàna fehizoro 2012-005 izay lalàna mifehy ny fifidianana ity kandida ity ary nilaza ho manana porofon’izany izy ireo. Ankoatran’ny fangatahana ny fanafoanana manontolo ny vato azon’ity kandida ity dia angatahan’ireto kandida miisa 4 ireto ihany koa ny fanilihana tanteraka na «disqualification» ny kandida Siteny. Nambaran’izy ireo fa nizara vary sy vola tamin’ireo fokontany rehetra ao amin’ny distrika voalaza teo moa ity kandida ity ny 28 may, izay voatokana ho fotoana fahanginana ary nitohy ny andron’ny 29 may, andron’ny fifidianana solombavambahoaka izany fizarana vola izany. Mpianatra miisa 2000 ihany koa no nambaran’izy ireo fa avy amin’ny oniversiten’i Masinday, Toliara II, nefa nampifidianana ity kandida ity tao amin’ireto fokontany manaraka ireto rehefa avy nosandaina vola isan’olona dia ny fokontany Mangabe, Betania Tanambao, Andaboly, Antaravay. Olon-tsotra miisa 1200 avy amin’ny kaominin’i Belalanda sy Maromiandra, distrikan’i Toliara II, ihany koa no voalaza fa notaterina Bajaj sy Kamiao ka nasaina nifidy tao amin’ny birao fandatsaham-baton’ny fokontanin’Andaboly, Anketa Bas, Antaravay, Sakabera. Nambaran’ireto kandida ireto ihany koa fa nanao kolikoly tamin’ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana ity kandidan’ny Firaisankina ity ka nanaiky nampifidy olona tsy anaty lisitra. Teo koa, hoy izy ireo, ny fividianana safidim-bahoaka tamin’ny alalan’ny fizarana vola amin’ny mpifidy maro manerana ny fokontany miisa 41 ao anatin’ny distrikan’ny Toliara I mandritry ny andron’ny fifidianana. Nanatitra ny «matériel de vote» na ny kojakojam-pifidianana tamin’ny 3 maraina niaraka tamin’ireo mpikambana CED, izay ahiana ho nisy «bourrage d’urnes» na famenoana vata fandatsaham-bato mialohan’ny fanombohan’ny fifidianana koa ity kandida ity, hoy hatrany ireto kandida miisa 4 ireto ka dia mangataka ny famerenana ny fifidianana mihitsy noho izany izy ireo. Tetsy ankilany moa dia nilaza koa ny kandida Siteny fa manana porofo mampiseho fa tsy nanara-dalàna ireo mpifaninana aminy ka dia heverina fa hifampitady ao izany ireto kandida ireto.
J. Mirija
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany