airtel

Politique

12-mai-2022

Politique

Tolona eto Madagasikara Ny vahoaka maty, ny mpanao politika voky

Sample post image

Feno 50 taona ankehitriny ny tolona tamin’ny taona 1972. Saika fanontaniana apetrak’ireo nanao ny lohahevitra ho fanamarihana izany moa ny hoe nitondra inona izany tolona izany?

12-mai-2022

Toa ny nitolomana tamin’izany ihany no mbola mila hitolomana ankehitriny, hoy ny sasany? Talohan’ny taona 1947 raha hiverenana ny tantara no efa nisy tolona nataon’ireo raiamandreny hanafahana ity firenena Malagasy ity. Raha ny lojika hoy ireo mpahaitantara sy mpamakafaka hafa, araka ny efa namerimberenana azy teto, dia tsy nisy antony tokony nipoahan’ny 29 martsa 1947 akory satria efa nandeha ny dingana famotsorana ireo firenena zanantany niainga tany amin’ny fifidianana solombavambahoaka nahalany an-dry Ravoahangy sy Raseta ary Rabemanajara tao amin’ny antenimieram-pirenena frantsay izany nitohy tamin’ny dinika tao Brazaville. Velam-pandriky ny frantsay ny 29 martsa 1947, hoy ireo fanehoan-kevitra, mba nahafahana nanafoana ny antoko politika MDRM sy nandrarana ireo mpikambana tao toy ireo solombavambahoaka voalaza teo tsy hanao politika intsony. Niara-dalana tamin’io antoko io tamin’izany moa ny antoko politika PADESM, izay raha ny fanazavana, dia nizara roa lasa mpifaninana koa taty aoriana dia ny PSD sy ny UDSM izany. Ny PADESM izay raha nadika tamin’ny teny malagasy dia hoe antokon’ny tsy manan-dova na “Parti des déshérités” ary noheverina tamin’izany fotoana izany fa saribakolin’ny frantsay ihany ary olon’ny frantsay tafakatra voalohany teo amin’ny fitondrana ny filohan’ny repoblika voalohany nanomboka ny taona 1958. Mbola olon’ny frantsay daholo no voalaza fa nitondra nanomboka teo na dia nisy aza ny ra mandriaka nahafaty vahoaka an’alin-kisa ny taona 1947 ka nampipoaka indray ny 13 may 1972 izay nialohavan’ny tolon-dry Itompokolahy Monja Jaona tany atsimo ny taona 1971 satria hoe mbola sarintsarina fahaleovantena no niainana fa tsy tena izy. Nisy vahoaka maty sy naratra indray tamin’izany ary nisy mpitonda voky fa tafakatra tamin’ny fitondrana saingy mitovy amin’ny ankehitriny hatrany ny fanontaniana hoe niara-nitolona ve ireo sa tsia? 1991, 2002, 2009, 2018 sy asa izay mety ho tohiny rehetra, iza no nahazo tombony? Ao ny mpanongana, ao ny mpampirisika, ny mpisolelaka, ny mpijapy, ny sakaizan’ny mpandresy, ny mpanatsatso, ny mpanakiana sy ny ambiny rehetra saingy ireo anefa avy eo samy misaosy daholo. Ireo vahoaka entina eny an-kianja na ampilanjaina sora-baventy na atosika hikorontana na manao zavatra hafa saingy miha mahantra sy taraiky ihany. Misy mitondra takaitra ara-batana sy ara-tsaina. Firifiry no maty? Tsy hoe mila toerana ny vahoaka saingy matoa ny olona iray miasa mafy sy mitolona dia mikatsaka fiovana mankany amin'ny tsara kokoa izy izay fa tsy hoe handao hitolona mba hanapotika ny hoavin'ny taranaka kosa angamba no tanjona. Ny vahoaka maty fa ny mpanao politika no voky.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap