Mahery vaika kokoa amin’ny ankampobeny ny tolona politika aty Afrika, saingy matetika tsy dia voafaritra mazava, mifototra amin’ny fandrodanam-panjakana fa ny aoriana baraingo. Any Eoropa matetika tena tolona hanoherana ny politikam-pitantanana tsy mahomby, ny olana ara-toekerana, ny olana sosialy,… Voafaritra mazava kokoa ny tanjona, malalaka kokoa ny zo higrevy sy hanao fitakiana na haneho hevitra, ary tena fanerena ny mpitondra hamaha olana no lalan-tsaina. Ny Gilets Jaunes tany Frantsa ohatra, dia fanoherana nataon’ny vahoaka mpiasa nifantoka tamin'ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy hetra, izay noheverina fa mamely mafy ny sarambabem-bahoaka. Voatery nanafoana ny hetra amin'ny solika ny fitondrana, nanome fanampiana ara-tsosialy sy fanampim-karama ho an’ny sahirana,... Ara-politika, na inona na inona tsy fitovian-kevitra dia henjana ny fitandroana ny fiandrianam-pirenena sy tombotsom-pirenena na mifanipaka ara-potokevitra aza ohatra ny hery farany ankavia sy farany ankavanana. Aty Afrika, tsy fahamahana olana sy fijerena ny marary ny vahoaka no mainka rehefa misy tolona sy fitakiana mandeha fa fiarovan-tseza sy fahefana, ka anisan’io ny eto Madagasikara.
SARINTSARINA TOLONA ARAHINA JADONA…
Teto amintsika, nandeha ny tolona sy ny fandrodanana samihafa nanomboka ny taona 1972, fa ny teo ihany no teo,… Ny nanonganana ny teo aloha aza no ampitomboina ny fahadisoana raha tarafina amin’ny fanonganam-panjakana 2009 izay ivon’izany ny 7 febroary 2007 feno 16 taona katroka anio sy ny tohiny jerena amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy tena revolisionina hanovana sy hanorenana Firenena fa tolona politika maloto nandrombaham-pahefana izay mety nidiran’ny kajy ara-jeopolitikan’ny Firenen-dehibe. Lasa tolona famotehana fa tsy fanovana, ka mitady ho ampitovian’ny olom-pirenena amin’iny izay rehetra mandeha. Tsy ny famahana olam-bahoaka sy tena fametrahana fitantanana mahomby sy ady amin’ny fahantrana izay miteraka fahamarinan-toerana politika ho azy no ataon’ny mpitondra eto, fa fianteherana amin’ny vola sy basy. Ankehitriny, na tolona sosialy tsotra aza efa sokajiana ho fanonganam-panjakana. Mihetsika ny vahoaka noho ny delestazy, mihetsika ny sendika noho ny olana mianjady, mihetsika ny mpampianatra noho ny olan’ny fampianarana,… fa basy aman-tafondro no miandry ary efa voasoratra mialoha ny vesatra toy ny hoe : fanakorontanana, fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena,… Tsy afaka ny hiraviravy tànana sy hanaiky lembenana anefa ny Malagasy fa tsy maintsy mitady fomba hivoahana sy hitondrana fanovana raha te ho tafavoaka.
MISY IHANY NY AZO ALAIN-TAHAKA TATY AFRIKA
Na izany aza, misy ihany ireo Firenena vitsivitsy nitondra tsio-drivotra sy nisy fahombiazana azo alain-tahaka. Tany Ghana ny taona 2000, nafana ny tolona ara-toekarena nifantoka tamin'ny faniriana hanangana toekarena miankina amin’ny fampiasam-bola anatiny. Nametraka tanjona hanamafy ny indostria sy ny teknolojia, ka hampivoatra ny sehatra stratejika ho fanoitra ara-toekaerana toy ny harena ankibon'ny tany tahaka ny volamena, bauxite, ny cacao,... Anatin’ny Firenena 10 voalohany matanjaka indrindra ara-toekarena aty Afrika i Ghana, ary nahavita nanangana fotodrafitrasa sy sehatra nahasarika fampiasam-bola iraisam-pirenena. Tany Burkina Faso, na dia nitarika fanonganam-panjakana aza ny Kapiteny Ibrahim Traoré tamin'ny 2022, dia nitondra fiovana lehibe tamin'ny politikan’i Burkina Faso, ka raha ny harin-karena fotsiny dia niainga 18 miliara dolara no tafakatra 21 miliara dolara tao anatin’ny roa taona mahery kely, miroborobo ny famokarana sy ny indostria anatiny,… Matoa nahomby ireny Firenena ireny, dia ny fitiavan-tanindrazana fa tsy kajikajy hitadiavana tombotsoa politika.
Toky R
Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra
Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana
Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina
Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia