Io no fivoriana ara-potoana farany ao anatin’ny vanim-potoana hitantanan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, raha voatazona ny datim-pifidianana filoham-pirenena amin’ny 9 novambra ka kandida izy satria tsy maintsy mametra-pialana 60 andro mialoha, araka ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana. Tonga nanotrona izany teny Tsimbazaza ny mpikamban’ny governemanta maromaro notarihin’ny Praiminisitra, ireo filohana andrim-panjakana, fa isan’ny nampiavaka azy ny fanontronan’ireo masoivoho sy solontenana firenena vahiny maromaro, izay midika zavatra maro amin’ny politika sy diplaomasia. Fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana no tena votoatiny voalohan’io fivoriana ara-potoana io, saingy tsy mahasakana ny raharaha hafa handeha, indrindra fa ny lafiny ara-politika sy sosialy izay mafampana. Inona no sary hiseho taorian’ny romoromo teo amin’ny antenimierampirenena sy ny governemanta ny volana desambra 2022 izay tsy tanteraka mihitsy ny fifanatrehana? Mbola manana ny maro an’isa marina ve ny Fitondrana? Hanao ahoana ny adihevitra eo anatrehan’ny fifidianana mananontanona? Isan’ny navoitran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena nandritra ny lahateny fanokafana fa maro ireo tarainan’ny vahoaka toy ny fidangan’ny vidin-jiro sy ny fahatapan-jiro lavareny, ny tsy fandriam-pahalemana ateraky ny zava-mahadomelina (rôrô), ny kolikoly eo amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana,... Manoloana ireo olana ara-tsosialy, mamporisika ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny Ramatoa Christine Razanamahasoa mba hampitombo ny ezaka. Mikasika ny raharaharaham-panjakana kosa, nambarany fa tokony hofongorina ny kolikoly isan-karazany. "Ampahafantaro anay vahoaka ny lesoka manahirana mba hitadiavam-bahaolana anatsarana io sehatra asa amin’ny raharaham-panjakana io", hoy izy. Notsipihin’I Christine Razanamahasoa, fa ny fifankahazoan’ny mpanatanteraka amin’ny solombavambahoaka no anisan’ny mampilamina ny firenena. Amin’ny alalan’ny fihainoana sy fanatanterahana ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny distrika nahalany ny solombavambahoaka tsirairay no mahatanteraka izany.
HANGOTRAKA
Nilaza moa I Christine Razanamahasoa fa lapan’ny demokrasia, saingy tsy amin’ny ady fa amin’ny fifanajana sy filaminana. “Tsy misy tapenam-bava ary mitohy ny fanaraha-maso ny mpanatanteraka. Misy ny tsy mitsitsy fitenenana, saingy tsy midika fanoherana fa atosiky ny fitiavana tsy hanan-dratsy. Indraindray mety hafana ny adihevitra saingy fanaon’ny parlemanta maro, fa tsy midika ho korontana fa samy te handresy lahatra sy hampanjaka ny heviny”, hoy hatrany I Christine Razanamahasoa. Niantso hatrany ny hisian’ny fanajana anefa na dia ho mafimafy ny adihevitra, ary indrindra fa misy tokoa ny tsy fitovian-kevitra, hoy izy. Toa midika fa hangotraka ary stratejika be ny adihevitra ao Tsimbazaza!
Toky R
Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha
Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU
Tsy maintsy hisy hanaraby ny irak'Andriamanitra, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika!
Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,
Miha mandroso ny fotoanan’ny fifidianana raha ho voatazona amin’ny 9 novambra ihany satria afaka iray volana roa volana eo dia higadona izany.
Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.