airtel

Politique

31-août-2023

Tonia mpampano lalàna

“Tsy nanao fampiantsoana ny Filoham-pirenena izany izahay”

Sample post image

Namoaka fanambarana omaly ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona,

31-août-2023

nilaza fa tsy nanao fampiantsoana ny Filohan’ny Repoblika, ka diso tanteraka ny filazana fa nisy ny taratasy fanaovana “assignation” nalefa tamin’ny Fiadidian’ny Repoblika, na ny Filoham-pirenena mivantana, mba hiseho fitsarana momba ny fitoriana azy amin’ny raharaha zom-pirenena. “Araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery, andininy faha-72 ao amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy, laharana faha-60.064 tamin’ny 22 Jolay 1960, dia izahay tonian’ny mpampanoa lalàna irery ihany no omen’ny lalàna fahefana hanetsika ny fitsarana hanao fizahana na “constat” ny fananan’olona iray na tsia ny zom-pirenena Malagasy. Izahay Mpampanoa lalàna dia tsy nanao fampiantsoana na “assignation” ny Filohan’ny Repoblika Malagasy, ka noho izany dia diso tanteraka ny filazana fa nisy taratasy nanaovana “assignation” nosoniavinay ka nalefa teny amin’ny Fiadidiana ny Repoblika na tamin’ny Filohan’ny Repoblika tenany”, hoy Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona. Araka ny voalazan’ny andininy faha-76 ao amin’ny fehezan-dalàna ihany, hoy izy, dia tsy maintsy misy dika mitovy momba ny “assignation” na ny fitoriana apetraka eny anivon’ny mpitahiry ny fitombokasem-panjakana. Izahay Tonian’ny Mpampanoa lalàna dia manambara ihany koa fa tsy nisy izany. Fehiny, tsy misy “assignation” velively nataonay Tonian’ny mpampanoa lalàna, ny resaka hafa rehetra mifanohitra amin’izany dia fanelezana vaovao tsy marina izay enjehin’ny didy aman -dalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy io Tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fitsarana io. Rtoa Fanirisoa Ernaivo izay mpitarika ny fikambanana nitory ny Filoha moa no namoaka tamin’ny seraserany, fa efa tafapetraka io “assignation” mampiantso ny Filoha hiseho fitsarana amin’ny 06 septambra io, mba hilazana aminy ny fahaverezana zom-pirenena, ary namoaka taratasy nisy fitombokase milaza an’izany. Nisy hosoka sy fampiasana hosoka ve izany tao anatin’ny raharaha? Inona no ho tohiny? Hanao ahoana ny tohin’ny fitoriana?
Toky R

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap