airtel

Politique

18-août-2023

Politique

Tontolo politika Malagasy Tonga hatrany ivelany ny asa fitsikilovana…

Sample post image

Sarotra ny fiainana fa mila malina Tsy miapanga an’iza na iza aho fa miteny fotsiny satria manana maso hijery sy sofina hihaino!

18-août-2023

Ao anaty zotram-piaramanidina iray dia hita ity Rosianina ity! Tonga amin’ny hotely hivantanana dia io indray izy! Mandeha ao amin’ny restaurant dia mbola hita indray izy. Mandeha matory dia eo anilan’ny efitranonao no misy azy.
Farany dia nanantonako ary noresahiko hoe : « olona samy manana ny rano nandroany! raha ny tanan’olona dia tsy atahorako velively: na “plutonium” io na “poison douce” . Teneno amin’ny mpampiasa anao izany hoy aho taminy, fa izahay mihinana hetrevo sy mandro amin’ny katrafay!”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Serge Imbeh Jovial izay kandida Filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 tao amin’ny tambajotran-tserasera nanehoany, fa misy olona manao asa fitsikolovana na “espionage”, izay heverina fa misy ifandraisany amin’ny tontolo politika Malagasy. Mandeha ve ny fitsikolovana ireo heverina fa mpanao politika mpanohitra na akaiky ny mpanohitra? Tsara rahateo ny manamarika, fa Atoa Serge Imbeh Jovial dia isan’ireo kandida filoha tamin’ny 2018 nisafidy ny nanohana an’I Marc Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa, ary isan’ireo tazana tamin’ny fihaonana nataon’io Filoha teo aloha io tamin’ireo mpiara-dia aminy tany Frantsay tamin’ny volana jolay teo. Asa na misy ifandraisany amin’ny tranga miseho eto an-toerana ihany koa ireny satria vao tsy ela fa ny faramparan’ny volana jolay sy ny fiandohan’ity volana aogositra ity ihany koa no nandeha ny fitarainana sy fampahafantarana maromaro momba ny fidiran’ny olon-tsy fantatra tamin’ny pejy facebook-na mpanao politika dia ny an’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana izay efa tafaverina aminy ankehitriny rehefa nisy niditra sy tonga hatramin’ny famoahana horonantsary mamoafady teo amin’ny rindriny mihitsy. Tahaka izany ihany koa ny pejin’ny fahitalavitra miisa roa, izay nisy niditra ka tsy azon’izy ireo nampiasaina hatreto. Fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe: misy mpanao politika mety hanaramana mpitsikilo any ivelany sy ny fidirana an-tsokosoko amin’ny pejin-tserasera sy ny orinasa fanaovan-gazety an’ny olona sokajiana ho aty amin’ny ankolafin’ny mpanohitra?
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-mars-2025

Nahitsy ny Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM Hajo Andrianainarivelo

Card image cap
21-mars-2025

Hampivelatra ny toekarena sa sanatria Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny Minisitra

Card image cap
21-mars-2025

Nanao fampahatsiahivana sy fanentanana tamin’ny alalan’ny Sekretera

Card image cap
20-mars-2025

Marihina isaky ny 20 martsa tahaka izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.

Card image cap
20-mars-2025

Ny governoran’Analamanga no naneho hevitra fa mety amin’ny any atsimo ny tetikasa

Card image cap
20-mars-2025

Mitsidika eto Madagasikara eto Madagasikara manomboka anio 20 martsa hatramin’ny rahampitso

Card image cap