airtel

Politique

07-nov-2022

Politique

Toto Alphonse - Leader Fanilo “Aleo atao ny fikaonandoham-pirenena raha hahatsara zavatra”

Sample post image

Antoko politika mivoy falalahana na “parti libéral” ny antoko politika Leader Fanilo, hoy ny filoha mpiara-mitantana ao anatin’izany antoko izany, Toto Alphonse.

07-nov-2022

Isan’ny nanorina azy io niaraka tamin’Itompokolahy Herizo Razafimahaleo raha mbola tanaty fahatanorana hiditra amin’ny fanaovana politika ny tena, hoy izy. Ny fanaovana politika dia inoako fa samy manana ny vinany ny tsirairay, indrindra, hampandroso ity Madagasikara iarahantsika mahita fa tena latsaka an-katerena anaty fahantrana ity. Nametraka izahay ny hoe “libéralisme économique et action démocratique pour la reconstruction nationale» na fahafahana ara-toekarena sy hetsika demokratika ho fanarenana ny firenena. Efa tokony miomankomana daholo, raha ny tokony ho izy ny etamazaoro politika. Mbola eo am-pieritreretana olona izahay hatreto fa mbola tsy dia miresaka hoe hanana kandida na tsia. Ny tenako moa mipetraka eto Antananarivo dia mifankahita ary mifanerasera amin’ny mpanao politika rehetra. Mijoro ho hery afovoany izahay satria manahy sao hisy indray ny herisetra izay tsy hitondra fahasoavana eto amin’ity firenena ity. Raha hahatsara zavatra ny fikaonandoham-pirenena dia aleo atao. Tsy handroso mihitsy ity firenena ity raha mbola sanatria hisy gidragidra, hoy hatrany ny Leader Fanilo.
J. Mirija
Legende: Toto Alphonse
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap