airtel

Politique

04-juil-2023

Politique

Tovondrainy J , mpampianatra-mpikaroka

Sample post image

Metimety amin’ny Filoha amin’izao ny tsy mirotsaka intsony»

04-juil-2023

Mbola adihevitra tsy vita ilay fizakan’ny Filoha Andry Rajoelina ny zom-pirenena Frantsay. Naneho ny mpampianatra mpikaroka any amin’ny Oniversiten’i Maninday Toliara Atoa Tovondrainy Justin, fa mamatotra tanteraka ny Filoha ankehitriny iny, ary tena manary ny zom-pirenena Malagasy, nisy tsikombakomba, tsy tokony ho afaka hirotsaka intsony izy,... “Betsaka ilay fanazavana etsy sy eroa, fa raha jerena tsotsotra, dia mitazona azy sy mamery ny zony tanteraka amin’ny maha-Malagasy azy ny andininy faha-42 amin’ilay lalàna momba ny zom-pirenena. Ny andininy faha-43 sy ambiny rehetra dia tsy maha voakasika azy satria tsy olona tsy ampy taona (mineur) izy fa olona manana ny maha-izy azy. Izy ihany koa tsy niainga tamin’ny “filiation” na nolovaina tamin’ny Raiamandreny sy ny razambe. “Naturalisé” izy, nangatahana, ka na olona tsy nianatra aza dia efa mazava ho azy hoe: matoa nangatahanao dia izay no tsaratsara ho anao”, hoy ity mpampianatra mpikaroka ity. “Matoa ilay izy nangatahanao dia izay no tianao, ary misy fepetra napetraky ny olona nanome fa tsy mandeha ho azy, ohatra amin’izany ny tombony ho an’ilay tanàna na firenena nagatahanao azy, araka ilay fomba fiteny “domy tapany handoa erany”, hoy hatrany izy. Araka ny fanazavany, ny olana dia izy Filoham-pirenena, Raiamandrenin’ny Malagasy rehetra. Tsy tokony hisy zavatra hafahafa mikasika azy hitondrana sy hitezana ny firenena, ary anatin’ny firenena dia misy zavatra itambarana, misy tsiambaratelo. “Tsy vitan’ny Raiamandreny fotsiny fa misy tsiambaratelo ao anatin’ny tokantrano havoaka any ivelany, ka mampiahiahy izany. Tahaka ny tsy Malagasy izy satria very ilay zo. Matoa Filoham-pirenena dia Filoha farantampon’ny foloalindahy, Filoha farantampon’ny filavitry ny mpitsara, ka ahoana no hitokisana anao amin’izay fotoana izay? Eo ilay olana, na atao hoe: nanana fahintsiana aza izy, dia mampahiahy”, hoy hatrany ny fanazavan’Atoa Tovondrainy Justin. Noraisiny ho ohatra ny resaka Iles Eparses izay ara-tantara sy araka ny lalàna dia antsika nolazaina fa vitany ny mamerina azy saingy tsy nisy akory, izay manaporofo an’ilay hoe: io ary izy fa efa “naturalisé”, io izy fa miaro ny tombotsoan’ny Frantsay. Ahoana no hitokisan’ny vahoaka Malagasy anao ary tsy misy tsiambaratelo sy tsikombakomba amin’io firenena io ananao zom-pirenena io ve? Azy manokana na mbola hirotsaka hofidiana filoham-pirenena izy na tsia, fa amiko manokana tsy tokony hirotsaka intsony izy, efa fantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io, famadihana na “trahison” no azo handikana an’ireny ka tsy tokony mbola hiditra amin’ny fifidianana izy satria efa tratra. Raha hanaiky an’izany ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) dia efa tsikombakomba ka miara-tompon’andraikitra amin’izany satria ny tamin’ny 2018 aza efa azo raisina ho tsikombakomba, ary ny metimety aminy tsy mirotsaka intsony satria tena saropady izany toerana Filoham-pirenena izany eo amin’ny filaharana ary ambony ary fa raha ary ambany dia azo leferina, hoy io mpampianatra mpikaroka io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap
20-mai-2025

Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009

Card image cap
19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap