airtel

Politique

25-sept-2024

Transparency International

«Atsaharo ny fanomezana tombondahiny kandida »

Sample post image

Tsy misy ambonin’ny lalàna ary voararan’ny lalàna ny fanomezana tombodahiny,

25-sept-2024

ary tafiditra anatin’ny fanaovana kolikoly, hoy ny teo anivon’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-MG. « Ny lalàna dia lalàna, kanefa raha mijery ny dingana ara-pifidianana dia be dia be ny tsy manara-dalàna. Hitam-poko hitam-pirenena ary iarahantsika mahita, fa efa nahita ve ianareo hoe : nahazo sazy iny olona iny natao ho an’iza ny lalàna ? », hoy ny Sekretera mpanatanteraky ny TI-MG Rtoa Mialy Radriamampianina omaly, hita tamin’ny haino aman-jery. Nahitsy noho izany ity farany fa raha fifidianana tena fifidianana dia mitovy ny olona rehetra, fa raha toa misy iray ambony kokoa ny fahafahany manao zavatra, toy ny fahalalahana fidirana amin’ny haino aman-jery na ny resaka hetra, dia efa tsy fifidianana fa efa fanomezana tombony manokana. Tena kolikoly sy tsy fanarahan-dalàna ary fanaovana tsinontsoninona ny zon’ny olom-pirenena hifidy, hoy izy nanamafy. Nilaza noho izany io mpitarika ny TI-MG io, fa raha diso ao anatin’ny fifidianana dia diso ao anatin’ny fotoam-piasana iray manontolo satria tsy azo antoka, ka asiana kandida atao ambony noho ny hafa dia tsy tokony hasiana fifidianana intsony, ary tsy demokrasia izany, tsy repoblika,… Nanamafy noho izany ny TI-MG fa betsaka ny zavatra mbola tokony hatao mikasika ny fifidianana toy ny fanaraha-maso ny fandaniam-bola, ny fampianarana ny olona hahay hifidy,… Nanipika ny resaka fandaniana amin’ny fifidianana satria tsy misy fangaraharahana ny loharanom-bolan’ny kandida sy ny antoko ary tsy misy valiny hatramin’izao ka hitakian’izy ireo ny mangarahara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap